Bilaogy Libyana: Ny herinandro faran'ny taona 2006

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2007)

Ny lohahevitra fototra nanjaka tamin'ny bilaogy Libyana nandritra ity herinandro farany ity dia ny taona vaovao, ny Krismasy sy ny Eid, ary i Khadijater manoratra momba ny fankalazana ny Eid Al Adha sy ny fampiasana sary ho fanazavana.

Sahirana tamin'ireo biby fiompy vaovao an-trano ihany koa ny bilaogera Libyana, tahaka an'i AngLibyan izay nitondra perruche tany an-trano.

Mandritra izany fotoana izany, nanohy nandinika ireo toerana mahaliana hisakafoanana ao Tripoli i On Tripoli. Ny lahatsorany vao haingana dia mitantara ny fivarotana fast food “pizza pizza”“.

Na dia izany aza, tahaka ireo namany ao amin'ny tontolo Arabo, ny fahafatesan'i Saddam Hussein no niditra tamin'ny ankamaroan'ny lohahevitra amin'ny bilaogy Libyana. Ohatra, Highlander , Safia Speaks , Lebeeya says sy Braveheart samy rikoriko sy tafintohina tamin'ny haratsian'ny safidy ny daty nahafaty an'i Saddam, ary mino mafy fa misy ny tanjona sasantsasany sy nanamarika ny fisafidianana ny famonoana an'i Saddam amin'ny fomba maika sy amin'ny fotoana tena manokana eo amin'ny kalandrie Islamika.

Tratry ny taona vaovao sy Eid Mubarak!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.