- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ity herinandro ity tao Israely: androm-pifidianana androany – marsa 2006

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Ady & Fifandirana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Martsa 2006)
A voter [1]

Mifidy amin'ny fifidianana Israeliana. Tel Aviv, 28 martsa (Saripikan'i Lisa Goldman [2]. Tsindrio raha hohalehibiazina ny sary.)

Nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana ny Israeliana androany mba hifidy governemanta vaovao. Nitabataba ny fampahalalam-baovao nanomboka tamin'ny 10 maraina fa ambany dia ambany ny tahan'ny fandraisana anjara, na dia tsy mikatona raha tsy tamin'ny 10 alina aza ny birao fandatsaha-bato.

Ny antoko Kadima [3], antoko afovoany naorin'ny praiminisitra Ariel Sharon [4], izay mbola ao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) nanomboka tamin'ny volana Janoary, ary tarihin'ny praiminisitra vonjimaika ankehitirny Ehud Olmert [5] no heverina fa hahazo ny seza betsaka indrindra ary noho izany, hanangana ny governemanta manaraka. Saingy nisy ihany koa ny fampitandremana marobe fa mety tsy ho marina ny fitsapan-kevitra mialoha, satria maro ireo mpifidy mbola tsy tapa-kevitra – manodidina ny 20 isanjato.

Raha mikasika ny fitsapan-kevitra, aza adinontsika fa nandresy tamin'ny taona 1996 i Shimon Peres [6] raha nifototra tamin'ny fitsapan-kevitra, saingy rehefa nisaina ny vato, dia i Benjamin Netanyahu [7] no nivoaka ho praiminisitra Israeliana. Na dia izany aza, ny antoko Likud an'i Netanyahu no heverina fa hahazo ny seza 14 amin'ireo seza 120 ao amin'ny Knesset [8] (parlemanta) amin'ity fifidianana ity (ny antoko izay mahazo seza maro no hiforona ho firaisambe miaraka amin'ny antoko madinika mba hanangonana ny maro an'isa ilaina, seza 61, farafahakeliny), toa tsy misy ny fanantenana hahalasa azy ho praiminisitry ny taona 2006.

Ity ambany ity ny fijerena izay taterin'ny tontolon'ny bilaogy Israeliana mikasika ny fifidianana.

Allison Kaplan Somer  dia fampisehoana bilaogy ana vehivavy iray. Manavao ny blaoginy, An Unsealed Room [9] matetika izy isan'andro amin'ny vaovao momba ny fifidianana ary hanohy hanao izany araka ny fandehan'ny valim-pifidianana. Miverena mijery azy. Mandroso ity mpanao gazety tena matihanina ity.

Nitantara mivantana ny fifidianana ihany koa i Israelycool [10], amin'ny fanavaozam-baovao hatrany.

Shai Tsur [11] manazava ny antony nifidianany an'i Kadima [12], na dia eo aza ny fisalasalàny amin'ireo kandidà maro ao amin'ny lisitry ny antoko.

I’m voting Kadima, as almost everybody knows. Is it perfect? No it isn’t. I’m not all that crazy about Olmert. I would like the party a hell of a lot better without Tzachi Hanegbi [13], not to mention Shaul Mofaz [14], Ruhama Avraham [15], and Eli Aflalo [16]. But those are the breaks. If the most important thing for me was clean government, and I didn’t have an aversion for voting for small single-issue parties, I would probably cast a vote for Uzi Dayan‘s Tafnit [17]party.

Nifidy an'i Kadima aho, araka ny efa fantatry ny olon-drehetra. Tsara ve izany? Tsia. Tsy dia adala loatra an'i Olmert aho. Tiako mba tsara kokoa ny antoko tsy misy an'i Tzachi Hanegbi [13], tsy lazaina intsony i Shaul Mofaz [14], Ruhama Avraham [15], sy Eli Aflalo [16]. Saingy ao anatin'ny  fialan-tsasatra ireo. Raha governemanta madio no zava-dehibe indrindra amiko, ary tsy manana fankahalana amin'ny fifidianana antoko tokana madinika aho, dia mety handatsa-bato ho an'ny antoko Tafnit [17] an'i Uzi Dayan aho.

Nibilaogy momba ny fifidianana tao amin'ny newsblogn'ny Guardian [18] ihany koa izaho sy Shai. Ato [19] ny lahatsorany fahatelo, “Ny fiakarana mampiahiahy an'i Avigdor Lieberman” [20],ary ato [21] ny “Fahalalam-pomba ao anatin'ny tolona.”.

Niv Calderon, mpiara-miasa vaovao ao amin'ny vondrona bilaogy One Jerusalem [22] (OJ) nanoratra lahatsoratra mahafinaritra [23] manazava ny fomba nangalan'ny afovoany-ankavanana ny foto-kevitra fototry ny ankavia Israeliana.

Fayrouz Shaqrawi, Palestiniana-Isiraeliana izay mibilaogy ao amin'ny The Land of Sad Oranges [24], mitantara ny resaka nifanaovany tamin'ny namana roa Israeliana-Palestiniana [25] mikasika izay antoko misolotena tsara ny tsombotsoan'izy ireo sy ny anton'zany.

Yonathan Bar On [26] manazava ny anton'ny fanantenany fa ny firaisambe Kadima-Mpiasa no ho governemanta vaovao [27].

Rinat [28]mamariparitra ny rivotry ny androm-pifidianana tao Tel Aviv [29], sy ny fahaleovany tanteraka amin'ny maha-mpanao gazety mitatitra ny fifidianana ho an'ny fampahalalam-baovao telo samihafa.

Don Radlauer [30] manazava, amin'ny lahatsoratra mazava tsara  [31]mikasika ny antony tokony handraisana ity fifidianana ity ho referandaoma momba ny fialàn'i IIsraeliana amin'ny Morondrano Andrefana.

West Bank Blog [32] manazava ny antony nifidianany ny Likud [33]- ary ny antony mahatonga ny olon-drehetra tsy manaraka ny ohatra nasehony ho manitri-doha anaty fasika.

Jameel ao amin'ny The Muqata [34] manome ny fomba fandraisany ny sehatry ny antoko lehibe tsirairay [35] alohan'ny hanazavany ny antony nifidianany ny Likud ihany koa.

Nandefa andiana sary roa momba ny fifidianana aho, nalaina tao Tel Aviv, ary azo jerena ao amin'ny kaontiko Flickr-ko ato  [36]sy ato. [37]