- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Avy amin'ny blaogy Ejiptiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2005)

Tezitra amin'ireo vaovao mikasika ilay zazalahy 14 taona izay miatrika fanamelohana ho faty ao Arabia Saodita ny blaogera sasany [1]. Manasongadina i Freedom for Egyptians [1] sy i Ritzy [2] fa nanamafy ny Fifanarahana momba ny Zon'ny Zaza [3] io fanjakàna io, sy ny hoe tsy mametraka ny fanamelohana ho faty ho an'ny ankizy tsy ampy taona ny lalàna Sharia [4].

Asongadin'i Ritzy [2] ilay fanambarana adaladala hoe nampangain'ny fitsaràna izy noho ny  ”fiteny kivalavalan'ny feony sy ny fahitàna ety ivelany ny volom-pilahiany” .

Manasongadina ny adalàna ao amin'ilay ampahany ”volom-pilahiana” i Sandmonkey ary milaza fa tokony ho fafazan”-tsika” baomba i Arabia Saodita.

Tohizan'ireo blaogera Ejiptiana ny miresaka mikasika ireo zava-mitranga ao Alexandria [5] .

Mitatitra (teny Arabo) i MalcolmiX [6] fa nizara fialantsiny tamin'ny olona teny an-dàlana noho ny nanaovana ilay lalao an-dampihazo ilay fiangonana tomponandraikitra tamin'izany.

Mikarakara fiaretan-tory eo alohan'ny Bazilika any Heliopolis i Karim. Raha toa ka mikarakara [7] (teny Arabo) hetsika kosa mba hanohanana ny firaisankina nasionaly i Kefaya [7]. Mikarakara andro iray hifadian'ny Miozolomana sy ny Kristianina hanina i Africano [8] (teny Arabo) sy ny vondrona blaogera iray.

Mitatitra i Tarek [9] (teny Arabo) fa tohizan'ny Azhar ny fanakanana boky. Boky iray atontan'ny Oniversite Amerikana ao amin'ny Gazety Cairo sy ny Gazetin'ny Oniversiten'i Oxford. Boky mitondra ny lohateny hoe: Ny Fivavahana Silamo Wahhabi avy amin'ny Fanavaozan-kery mankany amin'ny Fifohazana ary mandalo amin'ny Jihad Maneran-tany izay nosoratan'i Natana DeLong-Bas [10].

Mamoaka [11] lahatsoratra (teny Arabo) lava be mikasika ny famoriambahoaka momba ny fifidianana hitany avy teo amin'ny lavarangan'ny tranony i Mohammed [11]. Mihevitra izy fa tery dia tery ny valim-pifidianana eo amin'ny firahalahiana Miozolomana sy ny NDP [12] . Tsy nisy na iray aza famoriambahoaka momba ny fifidianana hitany ho nahasarika azy hidina sy handray anjara teny an-dalana.

Milaza i Fustat [13] fa nahomby ilay sarimiaina Simpsons nadika tamin'ny teny Arabo ary mbola hahomby izany aorian'ny Ramadan.

Faly [14] amin'ny fanombohana ny BBC sy ny Fahitalavitra Arabo amin'ny 2007 ny Freedom for Egyptians (FfE) [14]. Milaza izy fa hanampy fomba fijery vaovao izany. Asongadin'i Fustat [15]fa tohanan'ny mpiaramiombona antoka iray goavana avy any Etazonia ao Iraka ara-bola ny BBC. Fa ampahatsiahivin'ny FfE ny haavon'ny fahaizan'ny BBCWorld TV [16] sy ny tolotra Onjam-peo amin'ny teny Arabo [17].