- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zambia: maka tombony amin'ny fankahalana sinoa ireo kandidà

Sokajy: Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2006)

”Zambiana maro no tezitra amin'ireo Sinoa mpivarotra kely saina izay misongona ireo mpivarotra ao an-toerana, ary koa noho ireo fepetra iasana ratsy na mampidi-doza eny amin'ireo tobim-pitrandrahana an'ny Sinoa”, hoy ny AfricaBeat manoratra, manamarika fa lasa fitaovana mahomby ho an'ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana any Zambia ny fankahalàna Sinoa.