Pakistana: Bilaogin'ny Loza

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Nanantena ny hampiseho ireo bilaogy amin'izao fotoana mandrakotra fotodresaka samihafa aho, saingy manahy fa noho ny horohorontany goavana tao Pakistana sy ny faharavana naterany (izay tsy nisy na iray tamintsika aza nanam-po ny hamafiny), dia hitondra rakitranà bilaogy Pakistaney mifantoka indrindra amin'ilay horohorontany indray aho hovakianareo.

Miala tsiny aty am-boalohany aho noho ny tsy nanomezako rakitra maro kokoa hodinihina fa nifantoka tamin'ireo hetsika fanampiana samihafa ho an'ireo niharan'ny horohorontany ny fotoanako sy ny ezako (toy izany koa ireo bilaogera maro hafa).

Manome ireo vaovao farany ny bilaogy help-pakistan, izay navadika ho vohikala feno tanteraka ankehitriny, ahitàna fanomezana fanampiana avy amin'izao tontolo izao ho an'ireo niharan'ny horohorontany; namorona ny iray amin'ireo bilaogy fampahalalàna feno indrindra ho fanampiana ireo niharan'ny horohorontany tao Pakistana (rohy maty) i Meanderings; nanao fanehoankevitra ikoirana momba ny zavatra niseho tao amin'ny fahitalavitra (pejy  voafafa) i Windmill; manoratra momba ny hasosorany tamin'ny zavatra hitany (pejy voafafa) tao amin'ny tranombakoka PAF i Winter of my discontent; Faly amin'ny firaisan-kinan'ny firenena(pejy voafafa) amin'izao fotoan-tsarotra izao ho fanampiana ireo niharam-boina i Essjee; Manoratra ny fihetsehampony tamin'ny vokatry ny horohorontany i Isstarting A New; ary farany, miezaka mitondra hehy kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Pakistaney aho amin'ny fampisehoako ity vazivazy mombanà raharaha matotra be ity.

Mandra-pihaona indray…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.