16 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 16 Novambra 2018

Pakistana: Bilaogin'ny Loza

  16 Novambra 2018

Nanantena ny hampiseho ireo bilaogy amin'izao fotoana mandrakotra fotodresaka samihafa aho, saingy manahy fa noho ny horohorontany goavana tao Pakistana sy ny faharavana naterany (izay tsy nisy na iray tamintsika aza nanam-po ny hamafiny), dia hitondra rakitranà bilaogy Pakistaney mifantoka indrindra amin'ilay horohorontany indray aho hovakianareo.

Avy amin'ny blaogy Ejiptiana

Tezitra amin'ireo vaovao mikasika ilay zazalahy 14 taona izay miatrika fanamelohana ho faty ao Arabia Saodita ny blaogera sasany. Manasongadina i Freedom for Egyptians sy i Ritzy fa nanamafy ny Fifanarahana momba ny Zon'ny Zaza io fanjakàna io, sy ny hoe tsy mametraka ny fanamelohana ho faty ho an'ny ankizy tsy ampy taona ny lalàna Sharia.

Hetsika manohitra ny Fahantrana ao Ghana: ”Mijoro i Afrika”

  16 Novambra 2018

Maherin'ny 300.000 ny olona nivangongo tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Accra Ghana ny Sabotsy 3 Septambra 2005 mba hanatrika ilay hazakazaka an-kira naharitra 15 ora, Kaoseritra "Mijoro Manohitra Ny Fahantrana i Afrika", nanasongadinàna ireo mpanakanto Afrikana sangany, olontsotra malaza ao amin'ny fiarahamonina ary mpanentana manohitra ny fahantrana