15 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 15 Novambra 2018

Hita tanaty Fandikàna teny

Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra amin'ny fampandehanana ny adihevitra eratany ety anaty aterineto ny fandikana teny. Tsy zavatra moramora ny manolotra hevitra sy fandinihana amin'ny teny sy kolontsaina iray ho any an-kafa ary matetika mandany fotoana bebe kokoa noho ny fanoratana ilay lahatsoratra tany am-boalohany. Na izany aza, mirotsaka hanolotra feo betsaka amin'ny fiteny samihafa ny Global Voices

Tandindonin-doza ny tokatandroka mainty ao Zimbaboe noho ny fanafoanan'i Shina ny fandraràna nihatra 25 taona

  15 Novambra 2018

Tsy mbola manana ny loharanom-bola ilaina mba hanamafisana ny fiarovana sy hampiroboroboana ny fahaiza-manao amin'ny fanaraha-maso sy ny fitsongona dia ireo mpihaza tsy ara-dalana any amin'ny valan-javaboary nasionaly any Zimbaboe ireo mpandala ny tontolo iainana.Vao mainka hanasarotra ny toe-draharaha ny fanafoanan'i Shina amin'ny ampahany ny fandrarana ao anatin'ny 25 taona.

Ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

Somary mangina kely tamin'ity herinandro ity tao amin'ny tontolon'ny blaogy Saodiana. Angamba nanapa-kevitra nanararaotra ny toetr'andro mahafinaritra ao Arabia Saodita tato ho ato ny ankamaroan'ny bilaogera mba hitsangatsanganana any an-tany efitra na handehanana eny amoron-dranomasina. Na dia izany aza, nisy ihany ny lahatsoratra maromaro, ka andeha hijery izay mahaliana.

Voces Bolivianas: Mibilaogy momba ny fitroarana ara-tsosialy

Rising Voices  15 Novambra 2018

Notratrarin'ny andian-jiolahim-boto mitam-piadiana ankodimirana ny valalamanjohy, voatifitra basimarovava ny maro tamin'izy ireo, ary voatifitra teo an-damosina sy teo amin'ny loha ireo mpikambana ao amin'ny FUTCP. Olona 30 no maty, anisan'izany ireo vehivavy sy ankizy ary mbola tsy hita ny 100.