Pakistana: Fampifandrifiana mihetsiketsika ataon'ny Google Earth – Nampahafantarina ny Daholobe

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005)

Niasa tsy tapaka mba hamoahana an'ilay fampifandrifiana mihetsiketsika an'ireo faritra voakasiky ny horohorontany tao Pakistana i Anne Wright sy i Randy Sargent avy amin'ny Tetikasa Global Connections. (Mibaiko tena manolo ireo sary ho aminà kalitao ambony ny atao hoe fampifandrifiana mihetsiketsika rehefa akaikezinao ny fitaradavitra, noho izany, mora kokoa ny miasa miaraka aminy.) Nanoratra i Randy sy Anne ora vitsivitsy lasa izay mba hilazàna fa efa vonona ireo fampifandrifiana mihetsiketsika vaovao:

Fampifandrifiana mihetsiketsika momba an'i Pakistan izay ahitana sary mirefy 1 metatra sy sarintany ho an'ny

* Muzaffarabad
* Abbottabad
* Mansehra
* Murree

azo jerena ao amin'ny http://jaga.gc.cs.cmu.edu/rapid/pakistan/.

Votoaty: sarintany 10 avy amin'ny DLR/ Sary avy eny ambony, azo jerena ao amin'ny http://www.zki.caf.dlr.de/.

Ireto misy pikasary roa:
VBR - Home of Piffers

Tranon'ny Piffers? (Failo KML) nahita io nandritra ny fikirakirana ireo sary avy amin'ny zanabolana i Anne sy i Randy. Nanontany tena i Anne:

Heverinao ve fa ny kolontsaina rehetra dia manana  fifanahàfana arak'endrika ananan'ireo klioban'ny pelika eny amin'ny ambaratonga ambony, sa zavatra hafa io?

Nanontany teny amin'ny manodidina izahay ary nampahafantarina ny momba ity zavatra mahavariana ity:

”Tia manoratra eny amin'ny tehezan'ny havoana” ny miaramilan'ny tafika amin'ity ampahan'ny tany ity!

(Fanafohezana ny Tafika tsy ara-dalàna ao Punjab – Punjab Irregular Force – ny “Piffers”, nmpidirina ho anaty ara-dalàna tamin'ny 1865. Tsy azonay lazaina aminao ny dikan'izany amin'ny 2005.) Oay. Noho izany, raha mijery ireo fampifandrifiana ianao, jereo ilay soratra miafina eo amin'ny tehezan'ilay havoana. Milaza momba ny sary iray ao amin'ny tehezana havoana ny mpifanoratra iray hafa:

Misy sary sokitra lehibe an'i Sir Lord eo, olona mamono dragona iray ”miafina” eo amin'ny làlana mankany Muzaffrabad. mihevitra aho fa mbola tadidiko foana ny làlana mankany. Mihevitra ny ankizy folo taona rehetra ao amin'ilay faritra hoe izy irery no mahafantatra izany.

Ireto misy pikasary bebe kokoa:

Manshera Helipad (Failo KML file)

VBR - Manshera Helipad

Hopitaly Fampianarana ao Ayub (KML file):

VBR - Ayub Teaching HospitalAmin'ny fanamarihana matroka kokoa, ity misy maribolana avy aminà sarintany iray simba an'i Balakot, avy amin'ny Ivontoerana Fikarohana Iombonan'ny Kaomisiona Eoropeana (aza idirana ity rohy ity raha tsy mahazaka sary 9000 pixels amin'ny 7000 pixel ny solosainao!) izay mety hahasoa anao mba hanombanana amin'ny alàlan'ireny fampifandrifiana ireny ny fahasimbana nisy [mitondra mankany amin'ny dikany lehibe kokoa ny rohy amin'ilay sary, na dia tsy goavana be aza, noho izany, azonao kitihana]:

Balakot LegendIsaorana i Kathryn Cramer tamin'ny famoahana ilay blaogy teo ambony ary koa tamin'ny fampiantranoana ireo sary sy failo kml/kmz. Iray amin'ireo olona maro tao ambadiky ny fanampiana amin'ny fanaovana sarintanin'ilay horohorontany tao Pakistana ihany koa i Kathryn ary nanamarika sarintany manokana maro momba ilay Horohorontany tao Azia Atsimo. Raha toa ka liana ianao, afaka mijery ireo fampifandrifiana hafa sasany sy sarintany Google Earth momba ilay horohorontany tao Pakistana ao amin'ny blaogin'i Kathryn.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.