- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Fahasimban'ireo Fotodrafitrasa Nokleary Ao Pakistana Noho Ny Horohorontany

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005)

Ora vitsivitsy taorian'ilay horohorontany tao Pakistana, nahazo imailaka maro avy amin'ny mpamaky maneho ny ahiahiny momba ny maha-azo antoka ny Fotodrafitrasa  Nokleary Kahuta ao Pakistana, izay 100 km miala ny foiben'ilay horohorontany ny ekipa QuakeHelp [1] (toy ity iray ity [2]). in-droa namarinina loharano roa samihafa ity tatitra manaraka ity ary voamarina fa misy fahasimbàna ireo fotodrafitrasa nokleary teny amin'ireo faritra voakasika (mbola akaiky kokoa amin'ny foiben'ilay horohorontany noho ireo toerana voalaza etsy ambany i Kahuta):

Dimy ambin'ny folo ka hatramin'ny roapolo isan-jato amin'ireo fahasimbana no nihatra tamin'ireo fotodrafitrasa nokleary ao Pakistana sy ireo toerana fitahirizana entana any amin'ny Faritra Avaratra, indrindra any Skardu sy Chitral, ary miatrika fanapoizinana ireo mponina any an-toerana, fa efa napetraka ny lalàna tsy faazoana mivezivezy, ary raràn'ny manampahefana izy ireo tsy hiala any an-toerana. Noho ireo fahasimbana goavana nahazo ireo fotodrafitrasa nokleary ao amin'ny Faritra Avaratra, namily làlana ireo ekipa mpamonjy voina iraisampirenena ny governemanta Pakistaney, nanakana ireo hetsika famonjena avy amin'ny Tafika Indiana sy ny famatsiana avy amin'ny Tafika An'habakabaka Indiana, ary nanala ny fanaikena ny fanampiana Israeliana, noho ny tahotra sao hanimba ny fanorenana atomika ireo miaramilan'i Mossad miasa an-tsokosoko.

Raha toa ka tsy nolazain'ireo loharano Tandrefana hoe simbanoho ny horohorontany niseho tamin'ny 8 Oktobra ireo vondrom-pihary (reacteurs), nanamarina izy ireo fa nahitàna fitriarana ireo ‘silos’ fametrahana bala afomanga, ary voa mafy ireo toerana fitahirizana entana, ary satria atahorana ho mbola hihetsika mandritra ny roa taona ilay ivonà horohorontany, naneho ny fahatahorany faharavana bebe kokoa hanjo an'ireo fotodrafitrasa nokleary indray izy ireo. Mba hisorohana an'io faharavana nokleary goavana be io, natambatr'i Pakistana ho toerana iray ny mponina eny an-toerana tamin'ny fametrahana lalàna tsy fahazoana mivezivezy, sy tamin'ny fandrarana ny fitsirihana iraisampirenena ireo toerana niharan'ilay loza mahatsiravina.

Source: NewsInsight [3] via the South Asia QuakeHelp Blog [4]

Loharano: NewsInsight [3] avy amin'ny South Asia QuakeHelp Blog [4]