- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanavaozana mikasika ilay Rivodoza Stan avy amin'i Oscar Mota

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Vao nifandray mivantana tamin'i Oscar Mota mihitsy aho izao, izay nandrakotra ny faharavàna nateraky ny rivodoza Stan tao Goatemala, tao amin'ny DesdeGuate.com [1] avy tao an-tranony tao Guatemala City. Sombiny voadika tamin'ny resaka nifanaovanay avokoa izay manaraka eto:

OM: Tsy voa mivantana aho, fa an-tapitrisany maro no voa any … ary jereo ny toetrandro manakaiky. Iray amin'ny olanay lehibe indrindra dia efa firenena mahantra izahay ary vitsy hoentimanana ireo traboina maro. Traboina 3.5 tapitrisa! Milaza izy ireo fa efa 600 no maty hatreto, fa amin'ny fomba tsy ofisialy, efa mahatratra hatramin'ny 1.800 na 2.000 any izany, fa mbola tsy hilaza izany ny governemanta. Ary goavana ireo fahasimbana ara-bola – efa ho iray lavitrisa dolara.

GV: Ny tena loza dia any amin'ny firenena efa tena mahantra be no hitrangan'izany.

OM: Izany indrindra, vao maika ho very izay rehetra teo am-pelatanan'ireo olom-pirenenay mahantra indrindra izay efa tsy nanana hoenti-miaina hatrany am-boalohany. Raha mba afaka nijery ireo sary tamin'ny TV mantsy ianareo.

GV: Nahita sary vitsivitsy mikasika ny zavatra nitranga tany Panabaj aho … tena mahatsiravina.

OM: Izany mihitsy, tena nanjavona tao amin'ny sarintany ilay tanàna iray manontolo. Ary iray tamin'ireo toerana fizahantany tsara indrindra tao Goatemala izany. ”Ilay farihy mahatehotia indrindra manerana izao tontolo izao”, hoy zareo izay, Atitlán [2]. Mbola misy faritra ao amin'ny firenena tsy nahafahan'ny mpamonjy voina nandehanana efa ho efatra na dimy andro izay, satria voasakana ny arabe. Ary tsy afaka mankeny amin'ny alàlan'ny fiaramanidina izy ireo noho ny toetrandro. Tsy misy rano sy sakafo ireo olana tafahitsoka any. Omaly, nikasa ny handefa angidimby miisa 30 hitondra sakafo ny minisitry ny fiarovana saingy noho ny toetrandro, iray ihany noa nalefan'izy ireo. Mba eritrereto fotsiny anie eh!

GV: Tena gaga aho tamin'ny havitsian'ny fandrakofana nataon'ny haino aman-jery Amerikana mikasika ny rivodoza Stan raha oharina tamin'ireo herinandro nahalasa adala taorian'i Katrin.

OM: Ity misy zavatra mifandray amin'izany. Misy gazety maimaimpoana antsoina hoe 20minutos any Espana. Jereo ity, androany, mandrakotra ny pejy voalohany miaraka amin'ny sarina lalao an-dahatsary! Noho izany, mikasika ilay fandrakofana dia nisy olona nandefa taratasy fitarainana ho an'ny lehiben'ilay gazety, izay nanana blaogy, ary namaly toy izao izy [3]:

Marina ny [azy] … tokony hisy amin'ny vaovao androany ny fandrakofana bebe kokoa mikasika ny horohorontany any Pakistana, fihotsahantany ao Goatemala, ary fanondranana ataon'i Maraoka an'ireo Afrikana any Ambanin'i Sahara

GV: Ahoana no namalian'ireo blaogera Goatemalana momba ilay loza mahatsiravina?

OM: Maka miadana ihany, raha ny amiko. Hamoaka zavatra [4]aho izao dieny izao. Efa namoaka vaovao sy sary ny Guate360 [5] ary novàna niaraka tamin'ny tsipika manokana hifamoivoizana etsy amboniny ny pejy voalohany.

GV: Misaotra Oscar. Mitandrema tsara.

Mandritra izany fotoana izany, ireto rohy hafa mandrakitra ilay fahasimbana tao Amerika Afovoany: