- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Na eo aza ireo Sakana Rehetra, Faly koa i Yemen!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny mey 2014)

Na eo aza ny hasarotry ny fari-piainana, ny fahatapahan'ny herinaratra matetika sady maharitra fotoana maro, ireo toedraharaha pôlitika mikorontana sy ny tsy fisian'ny fandriampahalemana, ny fandrakofana ratsy ataon'ny media, dia vitan'ny vondrona Yemeni iray ny nampiseho izao tontolo izao fa porofo mivaingan'ny anaran'ny fireneny taloha ry zareo, dia ny ‘Arabia Felix’ na koa hoe Arabia Faly. Araka ny tantara, fantatra tamin'ny anarana hoe Arabia Felix i Yemen, izay midika hoe Arabia Ambinina na Arabia Faly – anarana nomen'ilay Grika mpahay jeografia, Ptolemy. Avy amin'ireo tendrombohitra avo no nahazoany io anarana io, izay nisintona orana, ka nahatonga azy namokatra nóho ny ankamaroan'ny sarinosin'i Arabia.

Navadika ho anaty tontolo Yemenita ilay hira Happy [1] malaza an'i Pharrell William [2], mampiseho ny fahaiza-mamorona sy ny talentan'ireo tanora Yemenita, ny fanahin-dry zareo mijery foana ny lafitsaran-javatra ary ny hanihaniny.

Novokarina tanaty fiaraha-miasa amin'ny Support Yemen [3] sy ny Gabreez [4] io lahatsary io ary niaraha-nitantana tamin'ireo tale roa voafantina hahazo Oscar, dia i Abdurahman Hussein sy i Ameen Alghabri [5].

Nibitsika ity manaraka ity i Fazli Corman, Ambasadaoro Tiorka ao Yemen:

Firenena inona eto an-tany no nanana anarana hoe “Faly” tany aloha be tany. Yemen mazava ho azy, fantatra koa amin'ny anarana hoe Arabia Felix…

Nibitsika an'i Pharell i Mareike Transfeld, mpikaroka ao amin'ny Yemen Polling:

Mila mijery sy mamerina mibitsika ny lahatsary ofisialin'i Yemen, “Happy” notanterahin'ireo voafantina hahazo Oscar, @AfroHussain [10] & @AmeenAlghaberi [11] ianao, @SupportYemen [12] hatrany

Nibitsika i Awssan Kamal, mpikambana ao amin'ny SupportYemen:

Manazava ny maizina iainan'ireo tanora Yemenita amin'izao fotoana ilay lahatsary “Happy Yemen”

Manampy i Mohammed Jamjoum ao amin'ny CNN:

Fampisehoana iray hafa ity fa mahatalanjona ny vahoakan'i Yemen-misy fotoana miato ny dika nataony avy amin'ny Happy hanehoany ny fahatapahan'ny herinaratra-vita tsara.

Hafa kosa ny fahitan'ilay bilaogera Yemenita Afrah Nasser, mipetraka any Soeda, ny zavamisy. Mibitsika izy:

Lahatsoratra vaovao anaty bilaogy: Mafy Toto i Yemen fa tsy Faly

Nanamarika izao tamin-kafaliana ny mpiara-manorina ny Support Yemen, Rooj, izay tsy vaovao amin'ny hasarotry ny fiainana ao Yemen ary mipoitra ihany koa ao anatin'io lahatsary io:

Na eo aza ny kabary tsy valiana ataon'ny media izay milaza fa ketraka sy tsy faly i Yemen ary mila fanavotana. Ito ny valinteninay.

Hafatra mazava amin'ny mahamafy toto an'i Yemen ny filazàny hoe “Na eo aza ny hasarotana dia tsy hifarana mihitsy ny hafalianay”.