(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny mey 2014)
Na eo aza ny hasarotry ny fari-piainana, ny fahatapahan'ny herinaratra matetika sady maharitra fotoana maro, ireo toedraharaha pôlitika mikorontana sy ny tsy fisian'ny fandriampahalemana, ny fandrakofana ratsy ataon'ny media, dia vitan'ny vondrona Yemeni iray ny nampiseho izao tontolo izao fa porofo mivaingan'ny anaran'ny fireneny taloha ry zareo, dia ny ‘Arabia Felix’ na koa hoe Arabia Faly. Araka ny tantara, fantatra tamin'ny anarana hoe Arabia Felix i Yemen, izay midika hoe Arabia Ambinina na Arabia Faly – anarana nomen'ilay Grika mpahay jeografia, Ptolemy. Avy amin'ireo tendrombohitra avo no nahazoany io anarana io, izay nisintona orana, ka nahatonga azy namokatra nóho ny ankamaroan'ny sarinosin'i Arabia.
Navadika ho anaty tontolo Yemenita ilay hira Happy malaza an'i Pharrell William, mampiseho ny fahaiza-mamorona sy ny talentan'ireo tanora Yemenita, ny fanahin-dry zareo mijery foana ny lafitsaran-javatra ary ny hanihaniny.
Novokarina tanaty fiaraha-miasa amin'ny Support Yemen sy ny Gabreez io lahatsary io ary niaraha-nitantana tamin'ireo tale roa voafantina hahazo Oscar, dia i Abdurahman Hussein sy i Ameen Alghabri.
Nibitsika ity manaraka ity i Fazli Corman, Ambasadaoro Tiorka ao Yemen:
@NoonArabia Which country on earth had the “Happy” title in antique times.. Yemen of course, aka Arabia Felix… http://t.co/ReY6K33AhX
— Fazli Corman (@FazliCorman) May 24, 2014
Firenena inona eto an-tany no nanana anarana hoe “Faly” tany aloha be tany. Yemen mazava ho azy, fantatra koa amin'ny anarana hoe Arabia Felix…
Nibitsika an'i Pharell i Mareike Transfeld, mpikaroka ao amin'ny Yemen Polling:
@Pharrell you got to check out & RT Yemen's official #Happy video by Oscar nominated @AfroHussain & @AmeenAlghaberi, @SupportYemen always
— Mareike Transfeld (@projectyemen) May 23, 2014 zzzzzzz
Mila mijery sy mamerina mibitsika ny lahatsary ofisialin'i Yemen, “Happy” notanterahin'ireo voafantina hahazo Oscar, @AfroHussain & @AmeenAlghaberi ianao, @SupportYemen hatrany
Nibitsika i Awssan Kamal, mpikambana ao amin'ny SupportYemen:
The Happy #Yemen video shines a light on the darkness yemeni #youth live thorough today @SupportYemen http://t.co/0epqebRCrh via @youtube
— awssan kamal (@awssan) May 24, 2014 zzzzzzz
Manazava ny maizina iainan'ireo tanora Yemenita amin'izao fotoana ilay lahatsary “Happy Yemen”
Manampy i Mohammed Jamjoum ao amin'ny CNN:
Another showcase of how amazing people of #Yemen are-their version of “#Happy“w pause for power cut-beautifully done http://t.co/Z1t7PZgZYk
— Mohammed Jamjoom (@JamjoomCNN) May 24, 2014 zzzzz
Fampisehoana iray hafa ity fa mahatalanjona ny vahoakan'i Yemen-misy fotoana miato ny dika nataony avy amin'ny Happy hanehoany ny fahatapahan'ny herinaratra-vita tsara.
Hafa kosa ny fahitan'ilay bilaogera Yemenita Afrah Nasser, mipetraka any Soeda, ny zavamisy. Mibitsika izy:
New blogpost: #Yemen is Resilient Rather Than Happy http://t.co/0U9RRvJI0Z
— Afrah Nasser (@Afrahnasser) May 24, 2014
Lahatsoratra vaovao anaty bilaogy: Mafy Toto i Yemen fa tsy Faly
Nanamarika izao tamin-kafaliana ny mpiara-manorina ny Support Yemen, Rooj, izay tsy vaovao amin'ny hasarotry ny fiainana ao Yemen ary mipoitra ihany koa ao anatin'io lahatsary io:
Despite media rhetoric that we r depressed unhappy #Yemen-is in need of saving. Here is our reponse #HappyYemen https://t.co/LPrk3B40na
— Rooj (@Rooj129) May 23, 2014
Na eo aza ny kabary tsy valiana ataon'ny media izay milaza fa ketraka sy tsy faly i Yemen ary mila fanavotana. Ito ny valinteninay.
Hafatra mazava amin'ny mahamafy toto an'i Yemen ny filazàny hoe “Na eo aza ny hasarotana dia tsy hifarana mihitsy ny hafalianay”.