Mitombo betsaka ireo ampangaina ho nanao ‘heloka bevavan'ny firaisankina’ ao Eoropa, 11 nantsoina hotsaraina tao Belzika noho ny fanampiana mpifindramonina

Nahazo mpanao fihetsiketsehana maro ny fotoam-pitsarana ireo olona miisa 11 nanampy mpifindramonina tany Belzika tamin'ny 6 septambra 2018. Saripika: Melissa Vida. Nahazoana alalana.

Niseho teo anatrehan'ny fitsarana tao Bruxelles tamin'ny 6 septambra 2018 ny olona miisa 11 izay nosamborina sy nampangaina ho nanao fanondranana olona tamin'ny oktobra 2017, io no fotoam-pitsarana voalohany lazain'ny mpikatroka fa tranga hafa ao Eoropa “mampahameloka ny firaisankina”.

Nolazaina ho nanampy mpifindramonina tsy manan-taratasy miisa 95 ireo voampanga, 12 amin'ireo mbola tsy ampy taona, tamin'ny fifindrana avy any Belzika ho any Fanjakana Mitambatra (UK) ny voampanga tamn'ny herintaona, na izany tamin'ny fampiatranoana, na tamin'ny fampindramana finday, na nanampy azy ireo hiakatra ao anaty fiarabe hanavatsava ny tonelin'i la Manche.

Tamin'ny androm-pitsarana, olona miisa telonjato no nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny lapan'ny fitsarana. Nilaza ny mpanao fihetsiketsehana fa fitsarana politika izao, hampihemorana ny olona tsy hanampy ireo mpifindramonina amin'ny alalan'ny fampitahorana ara-pitsarana.

Ny voampanga dia ahitana Belza mpanao gazety anankiroa, mpiasa sosialy Belza-Maraokana iray, Toniziana iray izay afa-monina ara-dalàna ao Belzika ary olona fito hafa izay mpifindramonina tsy manan-taratasy ihany koa. Efa nigadra hatramin'ny fotoana nisamborana azy ny valo tamin'izy ireo.

Manambara ny lalàna belza fa tsy maintsy misy ny fifanakalozana ara-bola mba ahafahana mametraka azy fa misy ny fanondranana olona, izay tsy nitranga tamin'ireo voampanga mihitsy anefa izany. Na izany aza dia mampisalasala ara-pitsarana ihany ny fifandraisana misy eo amin'ny mpifindramonina sy ny nanampy azy ireo, izay mety hanitatra tsy ara-drariny ny fetran'ny lalàna mba hamelezana ireo mpikatroka.

Nilaza nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny RTBF (sampan-draharaham-panjakana belza misahana ny fampielezam-peo sy sary) i Myriam Berghe, iray amin'ireo mpanao gazety miisa roa fa nandray vola hisolo mpifindramonina iray nampiatranoany izy. Nandefasana vola avy any ivelan'ny firenena tamin'ny alalan'ny Western Union io mpifindramonina voalaza io saingy tsy manampahafahana handray azy noho ny tsy fananany antonta-taratasy, hoy i Berghe. Izay tokony ho karazana fahatsaran-toetra izay eo amin'i Berghe no heverin'ny manampahefana ho fandoavam-bolan'ny fanondranana olona.

Tao amin'io antsafa voalaza io ihany, nanazava izy fa na dia mpanao varo-maizina aza ny sasantsasany tamin'ireo olona nampiatranoany, dia tsy mihevitra azy ireo ho “mpanondrana olona” izy :

Oui, j’ai hébergé des passeurs. Mais il faut voir de quelle réalité on parle. Les douze personnes interpellées dans ce dossier n’ont rien à voir avec ce que le droit appelle des “trafiquants d’êtres humains”. Ce sont des jeunes paumés qui essaient de survivre en devenant de petits passeurs, le temps de se payer eux-mêmes un passage.

Eny, nampiatrano mpampita olona aho. fa tsy maintsy jerena ny zava-misy lazaina. Tsy misy idiran'ny lazain'ny lalàna ho “fanondranana olona” ireo 12 voampanga amin'ity raharaha ity. Olona tsy manana na inona na inona intsony miezaka ny miavo-tena ka lasa mampita olona ireo olona ireo sady miampita ihany koa.

Namoaka taratasy misokatra ho an'ny praiminisitra belza i Bergue sy i Anouk Van Gestel, ilaympanao gazety iray hafa. Ao amin'ity tsonga ity, asehon-dry zareo ny hagagàny amin'ny toerana misy ny demaokrasia ao Belzika amin'izao fotoana izao :

Est-il acceptable que, dans un pays qui se dit être une démocratie, deux citoyennes se retrouvent inculpées d'association criminelle et de trafic d'êtres humains avec la circonstance aggravante qu'il s'agit de mineurs, parce qu'elles ont ouvert leur porte à des personnes en état de détresse absolue?

Azo ekena ve, ao amin'ny firenena iray milaza ny tenany ho demaokrasia, olom-pirenena toa voampanga ho ao anaty fikamaban-jiolahy sy mpanondrana olona ary ny tena manampy trotraka izany dia misy tsy ampy taona amin'ireo olona ireo, satria nanoka-baravarana tamin'olona mila fanampiana tanteraka?

Tamin'ny androm-pitsarana, nampahatsiahy ny fitreron'ny Minisitry ny atitany Jan Jambon ny fibodoana ny vala Maximilien, nataon'ny mpifindramonina an-jatony tao Bruxelles, tamin'ny olona nanampy azy ireo i Selma Benkhelifa, iray amin'ny mpisolovavan'ny fiarovana :

C’est un procès éminemment politique. Jan Jambon a déclaré que la situation au parc Maximilien était la responsabilité des hébergeurs. On entend d’abord ces déclarations très provocantes et derrière on constate effectivement des poursuites qui vont dans ce sens.

Misongadina mihitsy ny mahafitsarana politika azy. nanambara i Jan Jambon fa andraikitry ny mpampiatrano ny toe-draharaha tao amin'ny vala Maximilien. Nandre izany fanambaràna izany ho feno fihantsiana izahay tamin'ny voalohany fa nahamarika izahay avy eo fa nisy tokoa ny fitoriana ara-pitsarana.

Mbola vao ny fivoarana farany mitranga eny amin'ny polisin'ny sisintany izay misy fiantraikany lalina amin'ny politika eoropeana tao anatin'ny taona vitsivitsy monja izany.

Tao Bruxelles, olona miisa 10000 no nanao filaharam-be tamin'ny feborary ho fanoherana ny politika anti-mpifindramonina ampiharin'ny governemanta. Tamin'ny volana mey, niteraka fahatafintohinana nieli-patrana ny fahafatesan'ny zaza Kiorda efa-taona mpitady fialofana teo am-pelatanan'ny polisy. Vao haingana kokoa, niteraka tsikera avy amin'ny mpiasan'ny zon'olombelona ihany koa ny nanokafan'ny governemanta indray ny foibem-pihazonana fianakaviana tsy manan-taratasy.

Notoriana teny amin'ny fitsarana ihany koa ireo olona nanampy ireo mpifindramonina tsy manan-taratasy ireo any amin'ny firenena eoropeana hafa.

Tsy ara-dalàna ny fanampiana ireo mpifindramonina tsy manan-taratasy ara-dalàna hatramin'ny jona 2018 ao Frantsa, ary ny tao Espaina, nampangaina ho manao fanondranana olona taorian'ny nanavotana ireo mpifindramonina tanaty botry tsizarizary tao amin'ny ranomasina mediteranea i Helena Maleno, mpikatroka sady mpandala ny zon'olombelona. Araka ny nolazain'i Maleno, miisa 45 ny raharaha misokatra manerana an'i Eoropa itoriana ireo nanampy mpifindramonina tsy manan-taratasy. Mbola eo ambany fahefan'ny manampahefana maraokana hatramin'izao ny raharaha Maleno, raha voasazy handoa onitra 1.112 € kosa noho ny fampiatranoana Tôgôley tsy manan-taratasy ny mpitandrina iray any Soisa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.