- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miatrika olana ara-tontolo iainana ny reniranon'i Litani ao Libanona, renirano lehibe indrindra ao amin'ny firenena

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tontolo_iainana

Farihy sy tohodrano Qaraoun. Sary avy amin'i Christophe Maroun

Ny Alakamisy 8 novambra 2018, nandidy ny fanakatonana orinasa 75 [1]miasa tsy misy fahazoan-dàlana ara-dalàna ao amin'ny faritra Bekaa, noho izy ireo mandoto ny reniranon'i Litani ny Minisitra vonjimaika ny Indostria ao Libanona.

Loharano lehibe ho an'ny fambolena sy ny famokarana herinaratra i Litani, renirano lava indrindra ao amin'ny firenena. Maherin'ny 140 km ny halavany ary miteraka tosaka antonony isan-taona 920 tapitrisa metatra tora-telo.

Nandritra ny taona maro ny renirano no niharan'ny fiovan'endrika maro izay nahatonga ny fiovan'ny rano ao amin'ny dobo. Anisan'izany indrindra ny tohodrano ao amin'ny renirano Litani, izay vita tamin'ny taona 1959, miaraka amin'ny famoronana ny Farihy Qaraoun. Nampiasaina tamin'ny famokarana herinaratra mandeha amin'ny rano, famatsian-drano eny an-tokantrano, fanondrahana fambolena, ary fialam-boly ny fitehirizan-drano.

Amin'izao fotoana izao, tandidonin-doza maro ny renirano. Araka ny filazan'ny Litani River Authority (LRA), sampan-draharaham-panjakana natsangana tamin'ny taona 1954 izay misahana ny fanamorana ny fampivoarana ny lakandranon'i Litani, ny olana goavana [2] misy eo amin'i Litani dia ny fanararaotana sy fitrandrahana tsy voafehy amin'ny loharano, ary ny rano maloto avy eny an-tokantrano sy orinasa mandeha mivantana ao amin'ny renirano.

Tamin'ny taona 2014, nametraka soso-kevitra 730 tapitrisa dolara mba hanadiovana ny fahalotoan'ny renirano Litani sy ny Farihy Qaraoun ary hisorohana ny fahalotoana manaraka ny governemanta Libaney. Nitatitra  [3]ny Daily Star fa ity drafitra maharitra fito taona ity dia natao hanitarana ny tambajotra fanadiovana lakan-drano maloto, hitantana ny fako sy ny loto ary manampy ireo orinasa hampihena ny fanariana fako simika any anaty rano. Tsy mbola tontosa ny tetikasa.

Efa-taona taty aoriana, tsy dia nisy zavatra maro niova. Tamin'ny volana Jolay 2016, nampiseho ny Ivo-toerana Fametrahana Rano ao Libanona Atsimo [4] fa nahitana bakteria izay miteraka aretina isan-karazany ny rano maloton'i Litani, anisan'izany ny tefoedra sy ny salmonela. Na dia ny tany manamorona ny renirano aza dia tratra ihany koa, satria 37 isanjaton'ny faritra no voan'ny salmonela, araka ny filazan'ny SLWA (roa isan-jato ny tahan'ny “azo antoka” ekena).

Nanjary naloto tokoa ny rano ka nanaiky ny hampindram-bola 55 tapitrisa dolara  [5]ny Banky Iraisam-pirenena mba hampihenana ny habetsahan'ireo rano maloto tsy voakarakara ao an-tanàna izay mitoby ao amin'ny Reniranon'i Litani ary hanatsarana ny fitantanana ny loto manodidina ny Farihin'i Qaraoun. Saingy manoloana ny tsy fahombiazan'ny governemanta vao haingana, misalasala ny amin'ny fahombiazan'ity tetikasa ity ireo mpikatroka momba ny tontolo iainana.

Nampiseho ny fikarohana nataon'ny Oniversite Amerikanina ao Beirota [6] fa ny rano nalaina tao Litani nandritra ireo volana fahavaratra maina kokoa dia rano maloto avokoa. Hita fa feno singa-metaly mivangongo be ireo legioma voatondraka tamin'ny rano maloton'ny renirano, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hoza-doha ary manakorontana ny fiasan'ny fo sy ny voa.

Nitarika hetsi-panoherana maro avy amin'ireo olom-pirenena izay manana fivelomana miankina mivantana amin'ny renirano ny tsy firaharahiana mitohy. Tamin'ny volana Aogositra 2016, notapahan'ny [7] mponina ao an-tanànan'i Qaraoun, tanàna amorom-parihy Qaraoun ny lakandrano mba hanoherana ny fandotoana ao amin'ny fitehirizan-drano sy ny fofona maimbo avy ao. Tany am-piandohan'ity fahavaratra ity, niantso ny governemanta mba hanonitra azy ireo noho ny fatiantoka azon'izy ireo nateraky ny loto tao amin'ny reniranon'i Litani ny tompon'ny trano fisakafoanana sy ny toeram-ponenana [8] any atsimon'i Libanona ..

Ny 9 Novambra 2018,  taorian'ny fanombanana ara-teknika ny LRA dia namoaka [9] ny lisitr'ireo orinasa nampangain'ny fitsarana ady heloka bevava ao Zahle tamin'ny fandotoana ny Renirano Litani. Ankoatra izany, nizara lahatsary fohy mampiseho ny habetsaky ny fahasimbana tao amin'ny dobon'ny renirano noho ny tsy fahampian'ny fampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana izy ireo. Manizingizina ny LRA fa manomboka amin'ny fampiharana ny fenitry ny fanarahan-dalàna momba ny tontolo iainana eo amin'ireo orinasa ara-dalàna sy tsy ara-dalàna ny fiarovana ny renirano Litani manoloana ny loto indostrialy.

Ny fiarovana ny renirano Litani manoloana ny loto indostrialy … dia Manomboka amin'ny fampiharana ny fenitry ny fanarahan-dalàna momba ny tontolo iainana eo amin'ireo orinasa ara-dalàna sy tsy ara-dalàna. #TheNationalLitaniRiverAutority

Fitantanana ny rano, olan'ny firenena

Tamin'ny fanadihadiana momba ny toekarena ara-politikan'ny rano any Libanona, manasongadina ny fiantraika goavan'ny fahasimban'ny tontolo iainana eo amin'ny loharano ao amin'ny firenena ilay mpikaroka Dr. Karim Eid-Sabbagh sy ilay mpanao gazety tsy miankina Paul Cochrane. Ny sarimihetsika nataon'izy ireo, We Made Every Living Thing from Water [13] dia mampiseho ny hetsika ataon'ny olom-pirenena manoloana ny tsy firaharahan'ny governemanta ny olana ara-tontolo iainana, mba hiarovana ity loharano sarobidy ity.

Noho ny rafitra ara-panjakana sy ny lalàna marefo, dia miatrika fanamby maro  [14]ny sehatry ny rano Libaney. Manasongadina ny sasany amin'ireo olana lehibe ny Fanack Water [15], izay mikendry ny hanome vaovao voakaroka tsara momba ny toetry ny loharano ao amin'ny faritr'i MENA (Afovoany Atsinanana Afrika Avaratra): ny tsy fahombiazan'ny rafitra fitsinjarana rano ho an'ny vahoaka, ny faharatsian'ny tolotra omena, ary ny tsy fahaiza-mitantana ny rano maloto, ankoatra ny olana vokatry ny rafitra ara-panjakana sy ara-dalàna mizarazara.