- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamihn'ny volana Septambra 2005)

Momba ny raharaha iraisampirenena:

Ao amin'ny bilaogin'ny Jordaniana, mbola re ny resaka momba an'i Katarina (rivodoza). Jameed manonona fomba fijery [1] iray manolo-kevitra fa ny fifantohana amin'ny fandrobana ataon'ny “andian-jiolahy mahery setra” dia” fomba iray “hanodinana ny saina amin'ny faharavàn'ny fotodrafitrasa tanteraka sy ny ezaka fanavotana tsy tompon'andraikitra [2]“. Nanamarika ihany koa izy fa misy fiantraikany amin'ny Etazonia manontolo ny takaitra navelan'i Katarina [3], “Ny marika voalohany dia sambany nameno lasantsy maherin'ny 20 dolara ny fiarako tamin'ny herinandro lasa.” Sha3teely, etsy ankilany, mampitaha ny fanehoan-kevitra momba an'i Katarina amin'ny fanehoan-kevitra hafa [4] manoloana ireo loza iraisam-pirenena hafa. Sabbah koa manamafy ny zava-misy fa nanome vola maherin'ny 3 tapitrisa dolara ho an'ireo niharam-pahavoazana tamin'ny Katrina ny Arabo [5], avy eo izy nanamarika fa “nanome rindrina ho an'ny Isiraeliana ny governemanta Amerikana, raha todra-drano kosa i Nouvelle-Orléans [5]! ” ary i Linda Haddad  nilaza fa, “misy ny mizana tsindrian'ila ao amin'ny fampahalalam-baovao amerikana.”

Amin'ny hetsika ara-kolotsaina eo an-toerana

Maro ny zava-mitranga ao an-toerana. SC ao amin'ny Utopia mitatitra fa nijanona tany Amman tamin'ny 9 septambra [6] ilay mpihira Amerikana tia fivoarana, David Rovics [6] mb hanao fampisehoana iray alohan'ny hidirany amin'ny fitsidihany voalohany hanao fampisehoana any Palestina. Roba avy amin'ny “And Far Away” namoaka lahatsoratra momba ny [7] “Fankalazana ankehitriny [7] an'ny ôrikesitra fivavahana am-piangonana”, sy ny fampisehoana faha-telo amin'ny Dokambarotra maha-Adala (Mad Show Advertising) [7]. Ahmad Humeid indray mitatitra avy ao amin'ny seho lokam-pifaninanana dokambarotra Jordania 2005 [8] ary milaza fa “mampiakatra ny isa amin'ny dokambarotra Jordaniana amin'ny ankapobeny ny fitomboan-danjan'ny dokambarotra, sy ny fisosososoana mankany amin'ny famoronana, ny fahamendrehana sy ny hatsikana”.

Eritreritra Jordaniana:

Lina nizara ny zavatra hitany fa mahaliana nandritra ny fitsidihany bilaogy [9] sy gazety, ary mitondra antsika any amin'ny bilaogy hitany vao haingana – ” “Schiavoni [10] dia Amerikana mpila ravinahitra mipetraka any Jordania efa ho 6 volana izao, miasa ho talen'ny fanangonam-bola ao amin'ny iJordan [11].” Yazan Malakha miresaka sarimihetsika fohy avy amin'ny Creative Community momba ny sarimihetsika piraty [12]. Palforce kosa, mandritra izany fotoana izany, manome rohy [13] mankany amin'ny sarimihetsika antsoina hoe “The Syrian Bride” [14] nosoratan'i Eran Riklis, izay miresaka momba ny zava-misy isan'andro tsy maintsy atrehin'ny Arabo eo ambany fibodoana Israeliana.

Ahmad Humeid manontany tena raha ho faly amin'ny fitetezana elektronika ny tanàna i Amman atsy ho atsy. Ary i Isam Bayazidi kosa te-ahafantatra raha hanohana ny teknolojia Loharano Misokatra na tsia i Jordania [15]. Natasha manondro ny zaikaben'ny [16] “Tanora Miozolomana sy Kristiana ary ny Olana amin'ny Fiaraha-miaina” ary milaza fa mampihetsi-po izany. Haitham Sabbah miresaka zava-mitranga manahirana kokoa [17] – Ireo niharam-boina farany tamin'ny klioban'ny mpivaro-tena  [18]ao amin'ny Saikinosy Arabo, Yemen !!

Eman avy amin'ny AquaCool miverina miaraka amin'ny fizarana faha-26 mampihomehy  [19]amin'ny Diarin'ny Asany, ary Ziad ao amin'ny First Home namoaka ny fidirana voalohany “manokana” [20].