Masoarabo: Afovoany Atsinanana “an-tsary”

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2007)
blueboy.jpg

Tsy misy zavatra sarotra atrehina ankoatra ny fahaverezana namana akaiky sy ny manjo ilay bilaogera monina ao Ejypta, Maryanne Stroud Gabbani, raha nanao veloma farany ny soavaliny Blue Boy ao amin'ireto sary ireto izy.

“One of the hardest parts about caring for animals is the day that inevitably comes when you must say goodbye to an old friend. Almost a year ago the last Czech ambassador to Egypt and his wife gave me their lovely grey gelding Blue Boy to care for. Blue Boy was one of those Arab crosses that look like they have maybe some draft in them, and they are often used for jumping and dressage,” she writes.

“Iray amin'ireo henjana indrindra momba ny fikarakarana biby dia ny fahatongavan'ny andro tsy azo ihodivirana rehefa tsy maintsy manao veloma ny namana hatry ny ela ianao. Efa ho herintaona izay, nanome ahy hikarakara an'i Blue Boy, soavaly mahafatifaty ny ambasadera tseky farany tany Ejipta sy ny vadiny. Iray amin'ireo taranaka Arabo ny Blue Boy, ary matetika izy ireo no ampiasaina amin'ny fitsambikinana sy ny fampanaraham-baiko, “hoy izy nanoratra.

Taorian'ny aretina tampoka, dia maty talohan'ny nahatongavan'ny mpitsabo biby i Blue Boy. Tafiditra tao anatin'ny olana handevina azy i Gabbani avy eo.

“Burying something as big as a horse is seriously problematic in an area where the water table is only about a metre and a half under the surface of the soil. If we were to bury him in the farmland, and bury him as deep as is appropriate, the last two metres of the hole would be underwater and the water in the area would be over-fertilised, killing plants all around. One of our neighbours had a bulldozer at his property, so he drove it over to pick up the horse and to take him out to some old gravel mines where he could be buried,” she explains.

“Ny fandevenana zavatra lehibe toy ny soavaly iray dia tena olana goavana eo amin'ny faritra iray izay iray metratra sy sasany monja ambanin'ny tany ny fitoeran-drano (nappe phréatique). Raha handevina azy any amin'ny tany fambolena isika, ary handevina azy lalina araka ny tokony ho izy, dia mety ambanin'ny rano ny roa metatra farany amin'ny lavaka ary ho betsaka loatra ny rano ao amin'ny faritra, ka hamono ny zavamaniry manodidina. Nanana bilidaozera tao amin'ny taniny ny iray tamin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminay, ka noentiny izany mba hitondrana ilay soavaly ary hitondra azy any amin'ny toby fahiny fitrandrahana vato izay ahafahana mandevina azy “hoy ny fanazavany.

Tsy ilaina intsony ny milaza fa niteraka fahakiviana ny tsirairay tao amin'ny toeram-piompiana ny fahalasanan'i Blue Boy.

“The next day all of the animals on the farm were very quiet…much less playful and silly as though they somehow understood that a member of the group was gone. Indeed they should have understood as he was within sight of all the animals during the process,” Gabbani notes.

“Ny ampitson'io, nangina tanteraka avokoa ny biby rehetra tao amin'ny toeram-piompiana… tsy dia milalao sy  misangisangy, tahaka ny hoe takatr'izy ireo fa lasa ny mpikambana iray tao amin'ny vondrona. Raha ny marina dia tokony ho takatr'izy ireo satria teo imason'ireo biby izy nandritra ny zava-nitranga “, hoy i Gabbani nanamarika

walk.jpg
Ao Arabia Saodita, lehilahy 73 taona no nandrasana handeha tongotra 1 000 kilaometatra mba hisaotra ny Mpanjaka Saodiana noho ny firotsahany an-tsehatra tamin'ny fitadiavam-bahaolana tamin'ny fifandonana teo amin'ireo vondrona Palestiniana sasany, araka ny nolazain'ilay bilaogera Asad Abu Khalil.

Asharq Al Awsat mitatitra fa “nanomboka tsy hay hadinoina ny dian'i Salim Musfir Owaida al Qahtani mba hanehoany ny fankasitrahany ny mpitandrina ny Moskea Masina Roa, ny mpanjaka Abdullah bin Abdulaziz, noho ny anjara asany tamin'ny famahana ny ady anatiny Palestiniana teo amin'ny hetsika Fatah sy Hamas sy ny fanampiany ny firenena Silamo sy Arabo. Nanomboka ny dia tao an-tanànany Ain Qahtan, ao amin'ny faritanin'i Aseer, ho any Riyadh renivohitra ity raim-pianakaviana 73 taona manan-janaka 28 sy manana vady efatra ity. “

Avy any Arabia Saodita, hifindra ao Qatar isika, nanahiran-tsaina ity lehilahy ity tao, noho ny fanovàna nataony tamin'ny fiarany.

Mandritra izany any Yemen, Omar Barsawad tsy faly tamin'ny fahitana ny endrika miova amin'ny tanàna morontsirak'i Mukalla, izay niova tampoka ny maritrano amin'ny fananganana ireo fotodrafitrasa vaovao ‘tsy misy fanahy’, vita amin'ny takela-bato “dalle”, vy sy fitaratra fotsiny.

“In the Arabian Peninsular, there seems to be an enormous fascination with Dubai. Be it Abu Dhabi, Doha, Manama, Muscat – all are in one way or the other copying or imitating some aspect or way of Dubai. Mukalla is no exception. Does Dubai have character? Let's say, like Cairo or Fez or Tunis or Damascus or Amman? With the all steel, concrete and slab that Dubai is, and it looking more and more like Disneyland – it will take long, for it to build one: a character. With the ripping off, of Mukalla's old character and beauty – how long will it take, for it to have a new one. A character with a ‘soul’ as pleasing and as refined as the old one? A new one as aesthetically beautiful as the one now being torn up?” he notes.

“Ao amin'ny Saikanosy Arabo, dia toa misy zavatra mahavariana be amin'i Dubai: Abu Dhabi, Doha, Manama, Muscat – amin'ny fomba iray izy ireo izay samy maka tahaka ny lafiny iray na hafa amin'i Dubai, tsy miavaka i Mukallah. Manana toetra ve i Dubai? Andeha lazaina hoe, tahaka an'i Cairo na Fez na Tunis, na Damaskosy na Amman? Amin'ny vy, ny rihibato (béton) sy ny takela-bato (dalle) rehetra mandrafitra an'i Dubai, ary mitovitovy kokoa amin'ny Disneyland ny endriny. Mila fotoana ny fanamboarana ny iray: ny endrika. Noho ny fahaverezan'ny endrika sy hatsarana taloha – mandra-pahoviana no hahavitana izany, mba hananana iray vaovao. Endrika manana “fanahy” mahafinaritra ary kanto noho ny teo aloha? ” Vaovao tsara tarehy tahaka ny iray eo an-dalam-paharavana? hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.