- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

FOKO: Barcamp nahomby teto Madagasikara

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra, taona 2008)

Ny Asabotsy 4 oktobra 2008, natao tao Hotel IVOTEL, Ambohidahy ao Antananarivo renivohitra ny BarCamp Madagascar [1]. Nokarakarain'ny FOKO [2], nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices, ity no hetsika voalohany tahaka izany teto Madagasikara. Ny mpamatsy tolotra aterineto lehibe indrindra ao amin'ny firenena, Moov, no nanohana [3] ny BarCamp tamin'ny fanomezana fahafahana miditra aterineto maimaim-poana ho an'ireo mpandray anjara rehetra tamin'ny hetsika. Misaotra ireo mpanohana satria maimaim-poana ny fidirana, anisan'izany koa ny kafe, ny sakafo ary  T-shirts fahatsiarovana ho an'ireo mpandray anjara.

Dago Tiako manoratra [4]momba ny Barcamp Madagascar:

The concept of Barcamp is to gather all people keen on computer, internet, open source technologies, including bloggers.
Ariniaina
All the bloggers of Madagascar could meet on that special day. And one by one, they shared knowledge, experiences and advice.

Ny foto-kevitry ny Barcamp dia ny hanangona ny olona rehetra hifantoka amin'ny ordinatera, aterineto, teknolojia misokatra, anisan'izany ireo bilaogera.

Afaka nihaona tamin'izany andro manokana izany ireo bilaogera rehetra teto Madagasikara. Ary nizara fahalalana, traikefa sy toro-hevitra tsirairay avy izy ireo.

Jogany manoratra [5] momba ireo fanamby natrehin'ny FOKO tamin'ny fikarakarana ny hetsika:

When we thought [6] about organizing a Barcamp in Madagascar, we expected to get the best participants in town, in the country and in the world. It took us 3 months to convince….our own people to join.

One of our biggest surprise and achievement was to FINALLY meet the two greatest Open Source Communities in Madagascar : C3FL and AMUL.

Rehefa nieritreritra [6] hikarakara Barcamp eto Madagasikara izahay, dia nanantena ny handray ireo mpandray anjara tsara indrindra ao an-tanàna, eto amin'ny firenena sy manerantany. Telo volana no nanaovanay fandresena-dahatra tamin'ireo olonay manokana mba handray anjara.

Iray tamin'ireo fahagagana lehibe indrindra sy zava-bita ny fihaonana tamin'ireo Vondrona Open Source  roa lehibe indrindra eto Madagasikara: C3FL sy AMUL.

Manome ny toe-draharaha [7] izy:

Starting a Barcamp was an opportunity to showcase our skills and potentialities to the world in the field of technology but also prove to ourselves, the very active but isolated Malagasy tech community, that we are taking part in the development of our country.

Ny fanombohana Barcamp dia fahafahana nampiseho ny fahaizanay sy ny fahafahanay amin'izao tontolo izao eo amin'ny sehatry ny teknôlôjia, ary koa manaporofo amin'ny tenanay, ny vondrona teknolojia Malagasy tena mavitrika saingy mitoka-monina, fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenenay izahay

Jogany mamaritra ny lafiny mazava indrindra tamin'ny hetsika [8]:

Foko Bloggers
The Foko, supposedly, coordinators were un coordinating everything and doing their best not to get the discussions more heated than they are. Knowing Jogany's bad temper and Stéphane's smart mouth….you figured out that it was an impossible task.- “Iceman, hep, pssiiit, Iceman!!”, Jogany who is lost with ICE – “Who posted this french twit?”,…”No more batteries? This can't be!” yelled Diana.

Ireo mpandrindra ny Foko, izay heverina fa mandrindra ny zava-drehetra ary manao izay rehetra azony atao mba tsy hahatonga ireo fifanakalozan-kevitra hafàna bebe kokoa tsy araka ny tokony izy. Mahafantatra an'i Jogany mora tezitra sy ny vava petsapetsan'i Stéphane …  dia hitanao fa asa tsy mora izany – “Iceman, ampio, pssiiit, Iceman !!”, Jogany izay very miaraka amin'ny ICE – “Iza no nandefa ity sioka frantsay ity?” ,. .. “Tsy misy bateria intsony? Tsy tokony ho izany!” hoy i Diana.

Manome ny famintinana ny fizotry ny andro koa izy. [7] 75 teo ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana.

Nanatrika ny BarCamp i Eduardo Ávila [9] avy ao amin'ny Voces Bolivianas. Nanampy ireo tanora bilaogeran'ny FOKO izy mba “hitantara” ny hetsika. Napetraka ny latabatra miaraka amin'ny finday solosaina efatra tao ambadiky ny efitrano mifandray amin'ny wifi haingam-pandeha, ary maro tamin'izy ireo no nisioka mivantana [10] ny hetsika.

Manana vaovao marobe  [11]momba ny hetsika ny Barcamp Wiki. Nanaparitaka ny hetsika ny vondrona Facebook iray [12]. Ato [13], ato [14] sy ato [15] ireo sary nandritra ny hetsika.

Mampahafantatra ny tenan'izy ireo tao amin'ny Barcamp ao anatin'ity lahatsary ity  [16]ireo bilaogera FOKO:

http://blip.tv/play/AdGiWYnULQ

Ity ny famintinana ny fivoriana voalohany [17].

Sixthman ao amin'ny Madagascar Not The Movie [18] mamaritra ny zava-niainany:

This was an opportunity for me to see some of them that I only knew by pictures through blogs like avylavitra, DotMg or Jentilisa.

Sixthman

The mood and atmosphere struck me the most. It was warm, relaxed and fun. Just like between old friends and family members – nothing really formal.

Fotoana nahafahako nahita ny sasany tamin'izy ireo izay fantatro tamin'ny alalan'ny sary tamin'ny bilaogy izany, tahaka an'i avylavitra, DotMg sy Jentilisa.

Nanohina ahy betsaka ny fihetseham-po sy ny rivotra niainana. Nafana, nilamina sy nahafinaritra izany. Tahaka ny eo amin'ireo namana taloha sy ireo olona ao amin'ny fianakaviana – tsy misy zavatra tena hoe sarotra be.

Pati nizara fampahafantarana [19] momba ny diany tany Bruxelles mba hanatrika ny fihaonamben'ny Global Interdependence.

Andry ao amin'ny The Malagasy Cyber Adventure [20] mitatitra hoe:

Haja
Why the hell Madagascar has not got yet its IXP?” This is the question that Haja, the administrator of the .mg domain, member of AMUL…asked. IXP to make it brief, is a system which can enable internet connection through internal infrastructure. IXP will free our local internet providers from getting connection from abroad.

The presentation which stroke me the most was the one about lodjban, a new language, an alternative language which could be understood by human beings and computers!

We ended with Joan’s speech which was about the initiative of Creative Commons (CC) in Madagascar.

Actually, this is my only summary of the Barcamp: “I got new friends there”.

Haja

Nahoana no mbola tsy nahazo IXP ny eto Madagasikara? “Izany no fanontaniana napetrak'i Haja, mpiandraikitra ny anaran-tsehatra  .mg, mpikambana ao amin'ny AMUL …. Raha tsotsorina, ny IXP dia rafitra iray izay ahafahana mahazo fifandraisana aterineto amin'ny alalan'ny fotodrafitrasa anatiny. Hanafaka ireo mpanome tolotra aterineto eto an-toerana tsy hiantehitra amin'ny fifandraisana avy any ivelany ny IXP.

Ny famelabelarana izay nanohina ahy indrindra dia ny iray momba ny lodjban, fiteny vaovao, fiteny hafa izay azon'ny olombelona sy ny ordinatera takarina!

Faranantsika amin'ny kabarin'i Joan izay momba ny fandraisana andraikitry ny Creative Commons (CC) eto Madagasikara.

Raha ny marina, ity no hany famintinana ny Barcamp avy amiko: “Nahazo namana vaovao tao aho”.

Mandritra ny volana Jona, Jolay sy Aogositra, na nandeha niala sasatra na sahirana tamin'ny fanadinan'izy ireo ny bilaogeran'ny Foko. Niverina izy ireo tamin'ny volana Septambra niaraka tamin'ny bilaogy  bebe kokoa. Ireto [21] lahatsarotra sasany nasongadina.