Avy Amin'ny Tontolon'ny bilaogy Bangladesh

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Janoary 2006

Shuvo Nobobarsho (Tratry ny Taombaovao) daholo isika  rehetra. Ndeha isika hanopy maso an'izay voalaza tao anatin'ireo blaogy Bangladesh tato ho ato.

1) Fizahantany: Miresaka amintsika i Rahman mikasika ny Sundarban, ilay ala honko goavana indrindra Erantany sy izay azony atolotra ho an'ny mpizahatany.

Miresaka mikasika ny hatsaran'ny Bandarbans i Herma sy ny fomba hahafahan'ny fianakaviany hanjohy an'io. Ireto ny sary sasantsasany mikasika ny Bandarbans sy ireo eritreriny mikasika an'i Bangladesh.

2) Loka: Mitatitra ny ‘Unheard Voices’ fa Dr. Nazia Khanum,Bangladesh iray miaina an-tsesitany, no notendren'ny mpanjakavavy Elizabeth ho Manamboninahitra Ambony amin'ny Fanjakana Britanika (OBE) noho ireo asa nataony tamin'ny fampifandraisana vondrom-piarahamonina sy ho fanomezana zo mitovy.

3) Seho anaty fahitalavitra:  ‘Close up 1 – Tomakey Kujche Bangladesh (Mitady Anao i Bangladesh)’ no fandaharana voalohany indrindra ho an'ireo talenta ara-javakanto ao Bangladesh (dika Bangla ho an'ny American Idol). Ny mpandresy, ‘Nolok Babu’ dia mpihira an-dalambe vao 19 taona, mahantra. Manana betsaka ny ‘The 3rd world view’ ary i Rajputro (ROHY TAPAKA) mametraka ireo rohy mankany amin'ireo hira sansantsasany tamin'ilay fifaninanana mba hisintonana azy.

4) Jeritodika: Manao jeritodika iray i Mezba mikasika ny sarimihetsika ‘Munich’ an'i Spielberg.

5) Hajj: Mitantara ny tantaran'ny Hajj i Sadiq, ilay fivahinianana masina ho an'ny  Miozolomana. Na izany aza, nisy ireo adihevitra marobe tao anatin'ireo blaogy banglà hafa mikasika ny olana eo amin'ny fanatanterahana ny Hajj miverimberina. Ny tsy fahampian'ireo fotodrafitrasa mba handraisana ireo vahiny tsy mitsahatra mitombo marobe ao Arabia Saodita no olana mahamay, manaraka ny firodanan'ny hotely La Mecque vao haingana, izay namono olona 78, ka ny 8 tamin'ireo Banglà mpanao fivahinianana masina.

6) Coffee colored people (Ireo olona manana lokona kafe): Arafat (ROHY TAPAKA), izay nianatra tao Yale, nody tao Dhaka herintaona taty aoriana ary taitra tampoka nohon'ny fahasamihafàna teo amin'ireo lokon'ny vahoaka amin'ireo firenena roa manontolo.

7) Fanaovana blaogy Banglà: Nitombo haingana ny isan'ireo blaogera Bangla noho ny fampiasana ny fitaovana ‘Bandh Bhanger Awaj’ sy ny mpanangona ao aminy. Velona io mpanangona io sady feno vontoaty mahaliana amin'ny teny bengali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.