Maneho hevitra momba ny daroka baomba tao Colombo ny bilaogera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2006)

Resahana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Sri Lankey androany ny tatitra momba ny fipoahana baomba vao haingana tao Colombo androany, ka ny bilaogy menavazana ara-politika Nittewa no voalohany namoaka ny tantara.

Mandritra izany fotoana izany, nanipy resaka nitarika adihevitra ilay bilaogera vaovao Moju, ary araka ny mahazatra, lasa nivadika resabe izany, namela rohy tsara sasany ireo mpaneho hevitra vitsivitsy.

Misaotra anao Advocate, noho ireo lahatsary youtube izay manasongadina ny pikantsary tamin'ny fahitalavitra misy ny sary daroka baomba sasany.

Na dia namintina kely ny zavatra niainako taloha tamin'ny daroka baomba tamin'ity lahatsoratra ity tao amin'ny tranokalako manokana aza aho,

The actual scene of an explosion is nothing like the glamorous setups you see in movies or on TV. There’s a lot more gore than cinema, and none of the music to keep you psyched. The smell of flesh and fear, entwined, inseparable. A stench that climbs up your nostrils and stays there, lodged between your nose and your mind.

Ny tena sehatry ny fipoahana dia tsy misy dikny tahaka ny filaharana mahafinaritra hitanao amin'ny sarimihetsika na amin'ny fahitalavitra. Mbola betsaka fandripahana kokoa noho ny sinema ilay izy, ary tsy misy mozika hitazona anao. Ny fofon'ny nofo sy ny tahotra, niparitaka, tsy azo sarahina. Ny fofona izay mihanika ny vavoronao ary mijanona ao, mandry eo amin'ny oronao sy ny sainao.

Mahavariana fa nangina momba izany olana izany ny ankamaroan'ny blaogy Sri Lankey.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.