- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aterineto, Demaokrasia sy ny Fampihorohoroana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2005)
Logoen [1]

Eto Madrid izaho sy Ethan Z [2] (ankoatra ny hafa) amin'izao fotoana izao, ao amin'ny valan-dresaka Safe Democracy [1] (demaokrasia tsara aro), izay ahitana olona manerana izao tontolo izao mivory mba hiresaka momba ny ady ataonao amin'ny fampihorohoroana nefa tsy manimba ny demaokrasia. Ato [3], ato [4] sy ato [5] ny sasany amin'ireo fitantaram-baovao. Nikarakara atrikasa iray mifantoka amin'ny olan'ny aterineto i Joi Ito [6]. Satria nanontany ny mpandray anjara iray hoe: Ahoana no ahafahanao mamonjy ny aterineto nefa tsy manimba azy? Ahoana ny fomba hanohizanao hiaro ny fiainana manokana sy ny mpanohitra ara-politika? Nanamarika i Joi fa tsy maintsy arovana ny tsy fanafenana anarana, na dia mino aza ny sasany fa tokony ho fantatra ny mpiserasera rehetra. Ny hafa kosa dia miresaka momba ny fifandanjana miavaka eo amin'ny fiainana manokana sy ny olana ara-piarovana. Ahoana no ahitanao ny fifandanjana tsara?

Misy ny chat IRC mivantana momba ny freenode ao amin'ny: #madridopendemo.