- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Natomboka ny loka bilaogy Toniziana voalohany Tunisie Blog Awards 2005 [1] mba hampiroboroboana ny tontolon'ny bilaogy Toniziana, bebe kokoa, sy handrisika ireo bilaogera mba hiasa bebe kokoa ao amin'ny bilaogin'izy ireo ary hanome voninahitra ireo bilaogera izay manao asa tsara.
Ahitana dingana 3 izany:
Dingana 1: Fanolorana ireo bilaogy isan-tsokajy (12 – 18 Desambra)
Dingana 2: Fifidianan'ny mpitsara an'ireo bilaogera 5 voalohany isaky ny sokajy (19 – 25 Desambra)
Vokatra: Fanambarana ny valiny (26 Desambra)

Nandefa ny fizarana faha-fito tamin'ny fandraketam-peo mozika [2]i Tunizika, ahitana fangaro jazz, Electro ary HipHop Toniziana.

Mihevitra i Tarek  fa nanafangaro tanteraka ny fiteninay amin'ny teny nohafarana sy nodisoina ny tanora Toniziana. Manahy izy fa mihemotra tsikelikely ny vakoka ara-kolontsaina anay [3].

Sailor indray manoratra momba ireo profesora ao amin'ny INSAT (Ivon-toerana nasionaly momba ny siansa sy teknolojia ampiharina) ary araka ny heviny, ny fahafantarana hoe tsara ve izy ireo (profesora) sa tsia dia takon'ny tsy fahamarinana ataon'ny sasany amin'izy ireo amin'ny mpianatra [4], manome vahana ny sasany sy manimba ny hafa noho ny hafa antony samihafa tahaka ny maha-lahy sy vavy, ny fipetrahana amin'ny tanàna iray, … sns

Mochekes mitaraina momba ny  toe-javatra iainan'ny injeniera teknolojiam-baovao sy ny programera ao Tonizia [5], sy ny karaman'izy ireo tsy ara-drariny sy tsy mifanaraka amin'ny habetsaky ny asa atao, ny fomba fitondrana azy ireo toy ny mpiasa ambany na andevo mihitsy aza, sy ny tsy mbola fivoaran'ny orinasa … sns.

Navoaka tao amin'ny gazetiboky Toniziana Réalités ny lahatsoratra iray momba ny fifanambadian'ny mitovy fananahana ao Tonizia [6], sy ny fomba fihevitry ny fiarahamonina sy ny lalàna ary nalain'ireo bilaogera marobe tahaka an'i Houssein [7], Hannibal [8] sy K-pax [9], izay mieritreritra fa ezaka feno fahasahiana sy maherifo hitondrana ny olana izany.

Iskander manoratra momba ny resadresaka nifanaovany tamin'ny olon-dehibe sasany teo amin'ny taranaky ny rainy sy ny raibeny, izay niresaka momba ny fiainana tany Tonizia talohan'ny fahaleovantenany [10] sy ny fomba nahatonga azy ireo ho manembona ny lasa sy nihevitra fa fotoana tsara ara-tsosialy kokoa izany ary nisy ny fifangaroan'ny foko lehibe.
Tarek tsy miombo-kevitra ary namaly  [11]fa ny vahoaka Toniziana dia olona misokatra sy mandefitra foana, ary tsy ny taona vitsin'ny fanjanahantany no nampianatra anay izany. Heveriny ihany koa fa niova ny fifangaroan'ny foko ary nivoatra noho ny antony toy ny fizahan-tany sy ny dia. lavitra

Adib nanao fikarohana sasany momba ny tantara iray hafahafa izay navoaka tamin'ny gazety Toniziana [12] miresaka bibilava Anaconda milanja 2 taonina, mirefy 8 metatra hita tao amin'ny sisintany Toniziana-Libyana tamin'ny volana novambra, ary nahita fa tsaho (hoax) izany, satria ny sary hita dia ireo “python” izay tratra tany Afrika Atsimo vao haingana. Manakiana ny mpanoratra ny lahatsoratra izy noho ny famoahana tantara diso toy izany.

Ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany dia nametraka an'i Tonizia ao amin'ny Vondrona H miaraka amin'i Espaina, Okraina ary Arabia Saodita. Mieritreritra i Chouchitou fa  manana tombony i Tonizia nahavita ny fihodinana faharoa  [13]izay sambany teo amin'ny tantarany.