- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Diarin'ny Fifampiraharahana: Zava-baovao niainan'i Arzantina mikasika ny Blaogy sy Politika

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2006)

Dikantenin'ny lahatsoratra nosoratan'i Mariano Amartino voalohany tamin'ny teny Espaniola tao amin'ny tranonkalam-bilaogy Sobre Weblogs [1] an'i Clarín ity manaraka ity 

Iray amin'ireo andrana mahaliana indrindra izay nipoitra ho toy ny làlana mba hampiraisana ny blaogy amin'ny politika ny Diario de Gestión [2] (Gazetin'ny Fifampiraharahana). Raha tsorina, tranonkala iray manolotra blaogy maimaimpoana ho an'ny mpanao lalàna nasionaly na eo an-toerana izy io.

Hatreto, (ary na dia toa vitsy aza izy ireo, efa dingana lehibe mankany aloha izany), efa misy 12 ireo mpanao lalàna manana blaogy izay ahafahan'ireo teratany (na ny olona rehetra afaka miditra amin'ny aterineto) mametraka ao ny fanehoankevitra, hevitra, tolokevitra, ary maninona koa moa raha mba tsikera. Iray amin'ireo zava-dehibe mikasika ny blaogy ho an'ny mpanao politika ity: mankahery ny fifandraisana eo amin'ireo mpifidy soloany tena sy tsy misy mpanelanelana. Ireto ny lisitr'ireo mpanao lalàna efa nanao izany dingana izany:

Tetikasa iray iraisan'ny Agencia Blog sy ny OpenSA [3] ny Diario de Gestión. Teraka tamin'ny 10 Desambra 2005 ary nahatratra hatramin'ny 5.000 ny isan'ny mpitsidika tamin'ny volana Janoary; fiakarana 111% nandritra ny volana voalohany nivoahany. Antsipirihany roa mahaliana kokoa: ankoatra ny blaogin'ireo mpanao lalàna, misy pejy fandraisana izay manangona ireo lohahevitra mifandraika amin'izany ary mahaliana ao . Etsy andaniny kosa, traikefa tsara ny manaraka akaiky ny tsirairay amin'ireo blaogy ireo mba hahitana ny fivoarany. Fa na izany aza, hevitra tsara ny manakambana azy ireo ary raha toa ka misy mpanao lalàna te-hitazona ny blaoginy ao amin'ny tranonkalany manokana, mbola afaka manangona ny votoaty avy amin-dry zareo ireny ihany ny Diario de Gestión.