Trinite & Tobago: Daroka Baomba Iray Hafa, Voafafa ny Porofo Rehetra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)

Mitatitra ny daroka baomba fanindroany tao Trinite sy Tobago tamin'ity fahavaratra ity i Taran Rampersad, izay samy tsy dia nisarika firy ny sain'ny gazety irisam-pirenena.

Ny resaka mandeha hatreto dia ny hoe tsy nisy naratra satria betsaka ny orana no sady faritra heverina ahitàna ireo mpirenireny izy io…. Antenaina ho fafan'ny orana ny porofo (tondraka matetika io faritra io), ary tsy nisy naratra.

Kanefa, rehefa mifarana ny andro – iza no hanao zavatra toy izao? Ary raha hiezaka hanodina ny tantara mba hanohana ny tanjony ireo vendrana sasany (izay hilaza fa ny Al Qaïda no nanao izany), toa tsy mbola nisy nitono-tena ho tompon'andraikitra hatreto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.