- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Daroka Baomba, Daroka Baomba Inona?

Sokajy: Eoropa Andrefana, Angletera, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Nisefosefo noho ny fiandrasana anaty horohoro i Londona, ary dia niara-nisento ny olona rehefa tsy nahomby indray ny fikasàna efatra andaroka baomba androany.

Namaly haingana [1] (pejy voafafa) ny vaovao tselatra i Bignoseduglyguy ao amin'ny London Metblogs. Efa misy pejy feno mahatalanjona [2] sahady ny Wikipedia—mipao-tsatroka aho. Ary misy tatitra amin'ny antsipiriany isaky ny daroka [3] (rohy maty), miaraka amin'ny fitaterana ireo valintenin'ny media mahazatra manoloana ireo tranga ireo ny ao amin'ny perfect.co.uk.

Nisakoroka nandritra ny folo minitra kosa i Pinkfairycat, avy ao amin'ny London Metblogs ihany, ary avy eo dia nanapa-kevitra ny hikarakara ny sakafo hariva sy handro. Mahatsiaro tena an-tanindrazana ireo tamintsika izay niaina nandritra ny fanafihan'ny IRA tao Londona tamin'ny faraparan'ny taonjato lasa teo, amin'ny fomba mampalahelo indrindra.