Daroka Baomba, Daroka Baomba Inona?

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Nisefosefo noho ny fiandrasana anaty horohoro i Londona, ary dia niara-nisento ny olona rehefa tsy nahomby indray ny fikasàna efatra andaroka baomba androany.

Namaly haingana (pejy voafafa) ny vaovao tselatra i Bignoseduglyguy ao amin'ny London Metblogs. Efa misy pejy feno mahatalanjona sahady ny Wikipedia—mipao-tsatroka aho. Ary misy tatitra amin'ny antsipiriany isaky ny daroka (rohy maty), miaraka amin'ny fitaterana ireo valintenin'ny media mahazatra manoloana ireo tranga ireo ny ao amin'ny perfect.co.uk.

Nisakoroka nandritra ny folo minitra kosa i Pinkfairycat, avy ao amin'ny London Metblogs ihany, ary avy eo dia nanapa-kevitra ny hikarakara ny sakafo hariva sy handro. Mahatsiaro tena an-tanindrazana ireo tamintsika izay niaina nandritra ny fanafihan'ny IRA tao Londona tamin'ny faraparan'ny taonjato lasa teo, amin'ny fomba mampalahelo indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.