- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Voasambotra ireo Mpanohana an'i Akbar Ganji, Isan'izany ireo Bilaogera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Akbar Ganji
Avy ao amin'ny Kaomity Fiarovana ny Bilaogera [1]:

Notanan'ny Hery Mpampihatra Lalàna sy lehilahy manao akanjo tsotra ary nentina tany aminà toerana tsy fantatra ny sasany tamin'ireo tanora nankao amin'ny Hôpitaly Milad (ny 25 Jolay 2005) taorian'ny antson'ireo bilaogera hanehoana ny firahalahiana amin'i Akbar Ganji. Araka ireo tatitra azon'ny vohikala Emrouz, tsy nisy vokany ny ezaky ny fianakaviana hahazo fanampim-panazavana momba azy ireo, 48 ora taorian'ny nisamborana azy. Bilaogera sy tanora mpikatroka mafana fo ny sasany tamin'ireo voasambotra ireo, izay tafiditra tanatin'ny sampana tanora (fantatra amin'ny hoe) Nasim) tao amin'ny foibem-pifidianana ny Dr (Mostafa) Mo'in.
Loharano: Vohikala Emrouz, Teheran, teny Persianina, 09:38 (gmt), 27 Jolay 2005


Tsindrio eto
 (pejy voafafa) raha mila fanazavana fanampiny momba ireo voafonja sy ilay mpanao gazety mitokona tsy mihinan-kanina, Akbar Ganji.

Jereo ny bilaogy CPB [2], ny sokajy Iran ato aminay [3], ary ny failo Iran ao amin'ny mpanangom-baovaon'ny Global Voices [4] (rohy maty) raha mila ny vaovao farany.