Bangladesh: Resaky ny bilaogy amin'ireo fipoahana baomba maro

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha nisy ny fipoahana baomba miisa 400 mahery dia nanolotra ny fomba fijery tamin'ny zava-niseho tamin'ny 17 Aogositra 2005 ny tontolon'ny bilaogy Bangladeshi.

Nihevitra izany ho asan'ny fasista i Bongo Vongo. Nametraka fanontaniana manan-danja i Rezwan ary niezaka nitady valiny. Nanoratra taratasy misokatra ho an'ny Bangladeshis rehetra i ElectrikBlues ary nanontany hoe:

a terrorist attack that involves the explosion of over 500 bombs is an endeavor that requires the involvement of at least 2000 people. chances are, you know someone who was involved in the planning and implementation of this attack. wife, brother, sister, husband, son or cousin – you definitely know someone who had a role to play. the question is not why they did it, but rather why they did it.

Fanafihan'ny mpampihorohoro izay nahitana fipoahana baomba maherin'ny 500 mitarika mankany amin'ny fandraisana anjaran'olona miisa 2.000 farafahakeliny. Mary ny herijika mety ahafantarana ireo olona nandray anjara tamin'ny famolavolana sy ny fametrapetrahana io fanafihana io – vady, rahalahy, anabavy, zanaka na zanak'olo-mpiray tam-po – mahafantatra olona nanana anjara toerana tamin'izany mihitsy ianao. Ny fanontaniana dia tsy ny antony nanaovan'izy ireo izany, fa ny hoe inona antony nahatonga azy ireo nanao izany.

Fanontaniana maro hafa mbola tsy voavaly tao amin'ny A way in the world .

Nanome ny antsipiriany ny Unheard Voices, nanome topi-maso momba ny vondrona nomen-tsiny tamin'ny alalan'ny teny notsongaina sy ny trakta hita teny amin'ireo toerana nisy ny fipoahana, ary nanome ny rohy nankany amin'ny lahatsoratr'i Zafar momba ny tsy tokony hilazan'i Bangladesh fa tsy nampitandremana izy. Nanontany i Wamy hoe, ” Nahoana isika no tokony hanantena zavatra tsara kokoa? ” ary nilaza hoe,

For we allow the corrupt elite to run the country. Instead of overthrowing them from power, we praise them and nourish them and hope that someday these democratically elected corrupt leaders will do something really good for us, for the country.

Satria mamela ny sangany mpanao kolikoly hitondra ny firenena isika. Raha tokony hanongana azy ireo amin'ny fahefana isika, dia midera azy ireo sy mamelona azy ireo ary manantena fa indray andro any dia hanao zavatra tena tsara ho antsika, ho an'ny firenena ireo mpitondra voafidy ara-demokratika ireo.

Ireo fifandraisana eo amin'ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ny fipoahana. Ny fisaintsainana mitovitovy amin'izany momba ny demaokrasia sy ny andraikitra izay miaraka aminy ao amin'ny Imtiaz's weBlog . Manome ny dikantenin'ireo trakta avy amin'ny vondrona Jamatul Mujahideen Bangladesh izay milaza ho tompon'andraikitra tamin'ny fipoahana ihany koa ny bilaogy  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.