Fifidianana Irakiana-Fanadihadian'ny bilaogera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Nanomboka tamin'ny talata ny fifidianan'ireo mpila ravinahitra.

Nandany ny alina henjakenjana sy mangina miandry ny mangiran-dratsy ny Irakiana. Na izany aza, ankoatra ny fampitandremana (voaporofo fa diso) momba ny fanapoizinana faobe ny rano, ny famonoana kandidà maromaro, sy ny hoso-pifidianana mikasika ireo biletam-pifidianana hosoka, mbola manantena ny Irakiana amin'ity andro ity, andro izay hitan'ny maro ho toy ny  voalohany amin'ireo dingana maro izay hitarika azy ireo any amin'ny fahafahany manokana.

Miovaova be ireo faminavinana momba ny fifidianana, tahaka ireo kandidà ihany. Manantena governemanta vaovao tsy ara-pivavahana ny Irakiana sasany, ny hafa kosa mino fa tsy hisy na inona na inona hiova amin'ny fifidianana vaovao, ary ny hafa misafidy tsy hiraharaha tanteraka. Na izany na tsy izany, eo ireo bilaogera Irakiana manome vaovao farany ho antsika.

Vaovao ankapobeny momba ny fifidianana

Noho ny fiarahamiasa amin'ny Friedrich-Ebert-Foundation, nozaraina tao Iraka tamin'ny 11 sy 12 Desambra 2005 ny “Toro-lalana ho an'ireo antoko Irakiana”, ho fanampin'ny gazety “Al-Sabah al-Jadid”. Nisy ireo fampielezan-kevitra faobe tamin'ny afisy avy amin'ireo kandidà samihafa. Raha tsy nanampy anao hanomana ny vatonao (izay ho safidianao) ny afisy, dia manana mpifidy hanampy anao hijery izay antoko hofidiana mifototra amin'ny fanontaniana miisa 25 kosa i Niqash.org. Ireto misy santionany kely amin'ny isa mifandraika amin'ity fifidianana ity (miampy tombatombana kely fotsiny):

POLL BY NUMBERS
7,700 candidates
228 parties forming
21 major alliances
15 million voters
275 seats

MAIN PARTIES
United Iraqi Alliance Shia Muslim coalition of 17 groups. Likely to win more than 110 seats
Kurdish Alliance Coalition of eight Kurdish parties. Likely to win 50 seats
Iraqi National List Coalition of 15 parties representing Iraq’s secular middle class. Likely to win 35 seats
Iraqi Accord Front List Main Sunni Muslim party comprising 15 groups. Could get 30 seats

ISA MOMBA NY FIFIDIANANA
Kandidà 7.700
Antoko 228
Fikambanambe 21
Mpifidy 15 tapitrisa
Seza 275

IREO ANTOKO LEHIBE
Fikambanamben'ny Irakiana Tafaray, Fikambanamben'ny Shiita Miozolomana ahitana vondrona 17. Azo inoana fa hahazo seza maherin'ny 110
Fikambanambe Kiorda ahitana antoko Kiorda valo. Azo inoana fa hahazo seza 50
Fikambanamben'ny Iraqi National List misy antoko 15 misolotena ny sarangan'ny antonony (laika) ao Iraka. Mety hahazo seza 35
Antokom-pifanarahana Mandan'ny Miozolomana Sonita Irakiana miray lisitra ahitana vondrona 15. Mety hahazo seza 30

Fiarovana ny mpifidy

Olana lehibe ny fiarovana mialoha sy aorian'ny fifidianana, ary maro ireo fepetra norasina. Nakatona ny sisintany ho fanomanana ny andro fifidianana ary napetraka teo amin'ny olom-pirenena ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina mba hilamina ny arabe. Nampitomboina ny isan'ny polisy eny amin'ny biraom-pifidianana.

Topi-maso momba ireo mpiantsehatra goavana amin'ny fifidianana androany:

Unified Iraqi Coalition (Firaisamben'ny Irakiana Tafaray). Laharan'ny vato 555 

Malaza be ao amin'ny faritra atsimo ao Iraka ary mandrafitra ny ankamaroan'ny shiita. Muqtada al Sadr sy Ayatollah Sheik al Sistani no olo-malaza ao amin'ity antoko ity ary mampiseho sehatra ara-pivavahana henjana.

Manda Irakiana Tawafoq. Laharan'ny vato 618

Mandrafitra ny vahoaka Sonita ao Iraka, tsara ny manamarika fa avy amin'ireo foko rehetra ao amin'ny firenena ny mpanohana ity antoko ity

Lisi-pirenena Irakiana. Laharan'ny vato 731.

ity no antoko tarihin'ny filohan'i Iraka ankehitriny Ayad Allawi, ary mametraka safidy laika ho an'ny governemanta. Maro ny Irakiana mifidy ny 731 satria te-hanalavitra ireo antoko mifantoka be amin'ny fivavahana izy ireo, ary manohana ny toe-java-misy ankehitriny ny 731.

Famoriana Kiordistan. Laharan'ny vato 730.

Mampiseho ny tenany ho konglomerà manjaka ao amin'ny lisitra Kiordistana rehetra, ny fanohanana ity antoko ity dia saiky mifantoka tanteraka ao amin'ny faritra avaratr'i Iraka.

Ny zavatra iray manjaka amin'ny fahitana ireo hevitra samihafa amin'ny fifidianana dia ny hafatra fanantenana amin'ny hoavy, na inona na inona fironana ara-politika na hevitra momba politika ivelany amerikana. Ankehitriny, hampiseho amin'izao tontolo izao ny rantsan-tanany miloko volomparasy am-pireharehana ny Irakiana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.