- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manjaka amin'ny bilaogy Maraokana ny sariitatatra Danoà

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2006)

Araka ny efa nampoizina, naneho hevitra tamin'ny herinandro lasa teo mikasika ireo sarin'ny Mpaminany Mohammad [1] (PBUH) ny tontolon'ny bilaogy Maraokana, raha nanameloka ilay mpanao sariitatra Danoà [2] kosa ny sasany tamin'ireo bilaogera, ny hafa kosa nahita fa tafahoatra ny  fanehoan-kevitra tao amin'ny firenena Silamo  [3]sasany.

Ilaina ny saina tony

Samir, mpanoratra ao amin'ny The view from Fez [4] malahelo fa tsy voafehy ny korontana mahatsiravina [5].

The scenes of embassy burnings and calls for beheadings are playing right into the hands of the Islamophobes who want to create as much friction from the situation as possible. At the moment the Islamaphobes have gathered a lot of support from the Islamic reaction. Calm heads are needed. Dialogue and connection are what is needed now, not more provocation.

Lalaovin'ny mpankahala silamo te-hamorona fifandonana araka izay tratra avy amin'ny toe-java-misy ny sehatra fandoroana ny masoivoho sy ny antso ho fanapahan-doha. Amin'izao fotoana izao, dia nahazo fanohanana betsaka avy amin'ny fanehoan-kevitry ny silamo ny mpankahala Silamo. Ilaina ny saina tony. Ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandraisana no tena ilaina ankehitriny, fa tsy fihantsiana intsony.

Nandefa ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitry ny mpamakiny mikasika ny sariitatitra [6] i Samir tamin'ny herinandro teo.

Nibilaogy ny hatezerany tamin'ireo izay rehetra nandoro sy namotika mba hanehoana ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny sariitatra [7] i Bsima, dokotera.

I'm having enough to be associated to all this violence..Islam is a religion of peace, forgiveness ..

Leo an'izao herisetra izao aho..Ny Silamo dia fivavahan'ny fandriampahalemana, fifamelan-keloka.

Tsy vitany hoe rikoriko fotsiny  [8]noho ny fandoroana ny masoivoho Danoà tany Libanona sy Syria i Geronimo fa tamin'ny fanaovana ankivy ny vokatra Danoà koa. Hitany fa mampihomehy izany fihetsika izany.

It seems that some religious decided that eating a Danish product is a sin..Come on !!

Toa nanapa-kevitra ny fivavahana sasany fa fahotana ny mihinana vokatra Danoà. Tongava saina!!

Mamafy rivotra, mijinja tadio..

Nanambara i Soumiaz fa tsy afaka hiombon-kevitra amin'ny vondrom-piarahamonina Miozolomana izy raha resaka momba ny fihantsiana mora vidy, na koa hankasitraka izao tontolo izao miantso izany hoe demokrasia. Menatra ny maha-olombelona azy izy,  [9]na dia izany aza.

Oh! I don’t know if any of you sees what I am seeing, they draw the lines and we blind as we are, we do the work for them. They say we are fanatics and we deliver, by cutting people throats on air.

Oh! Tsy fantatro raha mahita ny zavatra hitako ny sasany aminareo, manisy tsipika izy ireo ary jamba isika, manao ny asa ho azy ireo isika. Mahita izy ireo fa fanatika isika ary manafaka, amin'ny fanapahana ny tendan'ny olona isika.

Medlykos, mpanoratra ao amin'ny Peace & Love On The World Wide Weblogsphere! [10] milaza fa raha mihevitra ny Danoà fa manan-jo haneho ny heviny izay tiany izy ireo, dia tsy maintsy mahatsapa ihany koa izy ireo fa tsy afaka mandidy izay mety ho fihetsiky ny olona sasany rehefa mahatsiaro ho afa-baraka amin'ny fahalalaham-pitenenana Danoà izy ireo [11]. Ny lohatenin'ny lahatsoratr'i Medlykos dia “mamafy rivotra, mijinja tadio”.

Slix namoaka fanehoan-kevitra sasantsasany taorian'ny fanehoan-kevitra tamin'ny sariitatra ary malahelo fa mitarika ho amin'ny ekstremisma toy izany eo amin'ny roa tonta [12] ny fahajamban'ny fo.

Naneho ny fahatezerany i Amazigh raha vao nahita ny sariitatra izay heveriny ho toy ny  fihantsiana ady amin'ny tontolo silamo [13].

I beg Muslims all over the world not to give the Occident the occasion to see us as terrorists . Let our governments and associations handle this problem .

Mangataka ny Miozolomana rehetra manerana izao tontolo izao aho mba tsy hanome fahafahana ny tandrefana hihevitra antsika ho mpampihorohoro. Avelao ny governemantantsika sy ny fikambanantsika hamaha ity olana ity.

Tara loatra Amazigh!!

Coup de coeur

The view from Fez  [4]dia bilaogy tsara tsidihana ahitana sary fandraisana manampy anao hanandrana ny fitiavana mandray vahiny mampalaza ny Maraokana. Mitsidika ity bilaogy ity isan'andro aho, tsy noho ny lahatsorany vaovao isan'andro ihany fa ao koa ireo sary mahafinaritra ankafiziko sy mampahatsiahy ny hakanton'i Maraoka!

Izay no tamin'ity herinandro ity. Amin'ny Alarobia manaraka indray, Inshallah;)