- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Miaro ny fahalalahana miteny

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niraondraona nandritra ny faran'ny herinandro ny tontolon'ny bilaogy Indiana tamin'ireo lahatsoratra sy fanehoan-kevitra manodidina ny ivontoeram-pampianarana iray izay nampiady hevitra. Nandefasan'ity ivontoerana ity mailaka [1]ny Vintage Point, bilaogy iray tantanan'i Gaurav Sabnis, mba hanaisotra ny lahatsoratra rehetra izay nanontany (nitsipaka) ny filazan'ny ivontoerana. Ny lahatsoratra tany am-boalohany izay nanome aingam-panahy ireo lahatsoratra tao amin'ny bilaogy  dia azo vakiana ao amin'ny JAM Magazine ato [2]. Rashmi Bansal, ao amin'ny Youth Curry, no iray tamin'ireo hery mitarika ity gazetiboky ity lasibatra tamin'ny fanehoan-kevitra ankamelimely sy tsy nitonona anarana [3]. Bilaogy maro anisan'izany ny Sambhar Mafia [4] sy Desi Pundit [5] no nanaraka akaiky ny fivoaran-draharaha .

Bilaogy Indiana [6] maro [7] no namerina izany antso ho fanohanana izany [8]. Ny vaovao farany [9] dia ny hoe niala tamin'ny asany tao amin'ny IBM i Gaurav Sabnis [9]. Hoy izy -

…I have resigned from IBM. The decision is entirely my own and I was not asked by IBM to resign, nor was I pressured in any manner by any executive from IBM. I took the decision in view of some really bizarre threats that were apparently made by IIPM to IBM…

… niala tao amin'ny IBM aho. Ny fanapahan-kevitra dia avy amiko manokana ary tsy nangatahan'ny IBM hametra-pialana aho, ary tsy nanery ahy ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny IBM. Noraisiko izany fanapahan-kevitra izany noho ny fandrahonana tena hafahafa sasany izay toa hita fa nataon'ny IIPM tamin'ny IBM …

Tao anatin'io lahatsoratra io ihany [9], nanolotra ny fanehoan-kevitra matanjaka ho an'ny lahatsorany teo aloha izy sy ny antony ijoroany amin'ny zavatra nolazainy tao amin'ny bilaoginy -

…my intention to stand by my posts, since I believe in freedom of speech. I have written nothing that can be thought of as libel. IIPM is an organiation in free India which makes some claims in its advertisements. What I did was exercise my right as a citizen, by responding to the information contained…

… ny fikasako dia ny ho eo akaikin'ny lahatsoratro, satria mino ny fahalalahana miteny aho. Tsy nanoratra zavatra izay azo eritreretina ho toy ny fanalam-baraka aho. Fikambanana ao amin'ny India malalaka izay manome fitakiana sasantsasany ao amin'ny dokambarotra ataony ny IIPM. Ny nampiasa ny zoko amin'ny maha-olom-pirenena ahy ny zavatra nataoko, tamin'ny alalan'ny famaliana ny vaovao voarakitra …

Tsy vao voalohany ho an'ny bilaogera Indiana ny miatrika ny fahatezeran'ny orinasa sy ny fikambanana lehibe, kanefa mitondra antsika miverina mankany amin'ny fanontaniana indray hoe – Ao amin'ny firenena iray izay ny USP no Demokrasia Lehibe Indrindra, nanjavona taiza ny Zo ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra? Mora kokoa ve ny mandrahona bilaogera noho ny gazetiboky na ny famoaham-baovao avy amin'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra? Manan-jo ve ny bilaogera?