India: Miaro ny fahalalahana miteny

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niraondraona nandritra ny faran'ny herinandro ny tontolon'ny bilaogy Indiana tamin'ireo lahatsoratra sy fanehoan-kevitra manodidina ny ivontoeram-pampianarana iray izay nampiady hevitra. Nandefasan'ity ivontoerana ity mailaka ny Vintage Point, bilaogy iray tantanan'i Gaurav Sabnis, mba hanaisotra ny lahatsoratra rehetra izay nanontany (nitsipaka) ny filazan'ny ivontoerana. Ny lahatsoratra tany am-boalohany izay nanome aingam-panahy ireo lahatsoratra tao amin'ny bilaogy  dia azo vakiana ao amin'ny JAM Magazine ato. Rashmi Bansal, ao amin'ny Youth Curry, no iray tamin'ireo hery mitarika ity gazetiboky ity lasibatra tamin'ny fanehoan-kevitra ankamelimely sy tsy nitonona anarana. Bilaogy maro anisan'izany ny Sambhar Mafia sy Desi Pundit no nanaraka akaiky ny fivoaran-draharaha .

Bilaogy Indiana maro no namerina izany antso ho fanohanana izany. Ny vaovao farany dia ny hoe niala tamin'ny asany tao amin'ny IBM i Gaurav Sabnis. Hoy izy -

…I have resigned from IBM. The decision is entirely my own and I was not asked by IBM to resign, nor was I pressured in any manner by any executive from IBM. I took the decision in view of some really bizarre threats that were apparently made by IIPM to IBM…

… niala tao amin'ny IBM aho. Ny fanapahan-kevitra dia avy amiko manokana ary tsy nangatahan'ny IBM hametra-pialana aho, ary tsy nanery ahy ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny IBM. Noraisiko izany fanapahan-kevitra izany noho ny fandrahonana tena hafahafa sasany izay toa hita fa nataon'ny IIPM tamin'ny IBM …

Tao anatin'io lahatsoratra io ihany, nanolotra ny fanehoan-kevitra matanjaka ho an'ny lahatsorany teo aloha izy sy ny antony ijoroany amin'ny zavatra nolazainy tao amin'ny bilaoginy -

…my intention to stand by my posts, since I believe in freedom of speech. I have written nothing that can be thought of as libel. IIPM is an organiation in free India which makes some claims in its advertisements. What I did was exercise my right as a citizen, by responding to the information contained…

… ny fikasako dia ny ho eo akaikin'ny lahatsoratro, satria mino ny fahalalahana miteny aho. Tsy nanoratra zavatra izay azo eritreretina ho toy ny fanalam-baraka aho. Fikambanana ao amin'ny India malalaka izay manome fitakiana sasantsasany ao amin'ny dokambarotra ataony ny IIPM. Ny nampiasa ny zoko amin'ny maha-olom-pirenena ahy ny zavatra nataoko, tamin'ny alalan'ny famaliana ny vaovao voarakitra …

Tsy vao voalohany ho an'ny bilaogera Indiana ny miatrika ny fahatezeran'ny orinasa sy ny fikambanana lehibe, kanefa mitondra antsika miverina mankany amin'ny fanontaniana indray hoe – Ao amin'ny firenena iray izay ny USP no Demokrasia Lehibe Indrindra, nanjavona taiza ny Zo ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra? Mora kokoa ve ny mandrahona bilaogera noho ny gazetiboky na ny famoaham-baovao avy amin'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra? Manan-jo ve ny bilaogera?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.