- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fanehoan-kevitr’ireo firenena miteny Portiogey tamin’ny naha-voafidy an’i Jair Bolsonaro ho filoham-pirenena

Sokajy: Brezila, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Sary- Fabio Rodrigues Pozzebom/Agência Brasil | Creative Commons 2.0

Tsy nandalo fotsiny ho an’ireo mpiteny Portiogey mitovy aminy ny fifidianana an’i Jair Bolsonaro ho filohan’i Brezila .

Na dia misy aza ny antony lehibe hafa dia noho i Brezila mpikambana ao amin’ny Vondrom-piarahamonin’ireo Firenena miteny Portiogey (CPLP [2]) miaraka amin’ny firenena hafa miisa valo, no anton’ireo hetsika ireo.

Eo ambany fitarihan’i Maria do Carmo Trovoada Pires de Carvalho Silveira amin’izao fotoana izao, ny CPLP fikambanana natsangana tamin’ny taona 1996 izay manana tanjona hampiroboroboana ny :

      • Concertação político-diplomática entre seus estados membros, nomeadamente para o reforço da sua presença no cenário internacional;
      • Cooperação em todos os domínios, inclusive os da educação, saúde, ciência e tecnologia, defesa, agricultura, administração pública, comunicações, justiça, segurança pública, cultura, desporto e comunicação social;
      • Materialização de projectos de promoção e difusão da língua portuguesa.
  • Fikaonan-doha ara-politika sy diplaomatika eo amin’ireo Firenena mpikambana ao aminy, ho fanamafisana indrindra ny fisiany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ;
  • Fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra, anisan’izany ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny siansa sy ny teknolojia , ny fiarovana, ny fambolena, ny fitantanam-panjakana, ny fifandraisana, ny fitsarana, ny fiarovana ny vahoaka, ny kolontsaina, ny fanatanjahantena ary ny fifandraisana sosialy ;
  • Famatsiana ara-pitaovana ny tetikasa fanentanana sy ny fampielezana ny fiteny Portiogey.

Zava-dehibe ny manamarika fa taorian’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana tany Brezila dia voafidy ho filoha faha-38 tao amin’ny firenena i Jair Bolsonaro tamin’ny 55 isanjaton’ny vato azony.

Tonga avy any Mozambika ny hafatra fiarahabana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, Filipe Jacinto Nyusi [3], izay nivoaka tao amin’ny pejiny Facebook :

Quero através desta plataforma, endereçar uma mensagem de felicitação ao Presidente Eleito da República Federativa do Brasil, Jair Bolsonaro, na sequência da Segunda Volta da eleição presidencial realizada no dia 28 de Outubro de 2018.

Estamos, igualmente, confiantes de que a nossa cooperação será consolidada com base nos valores fundamentais compartilhados no seio da Comunidade dos Países de Língua Portuguesa (CPLP) e no desejo mútuo do alcance das metas preconizadas, rumo a construção de uma comunidade mais unida e fortalecida, capaz de enfrentar os desafios que se apresentam ao mundo, actualmente.

Amin’ny alalan’ity sehatra ity, tiako ny mandefa hafatra fiarahabana ho an’ny Filoha voafidy tao amin’ny Repoblika Federalin’i Brezila, Jair Bolsonaro tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana ho Filoham-pirenena izay natao tamin’ny 28 Oktobra 2018.

Matoky ihany koa izahay amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny soatoavina fototra ifampizarana ao anatin’ny Vondrom-piarahamonin’ny Firenena miteny Portiogey (CPLP), sy amin’ny faniriana iombonana hanatrarana ny tanjona napetraka, ho fananganana ny vondrom-piarahamonina miray hina sy matanjaka kokoa, afaka miatrika ireo fanamby atrehin’izao tontolo izao ankehitriny.

Nandalo tao amin’ny Facebook ihany koa ny filohan’i Cap Vert [4], Jorge Carlos Fonseca, izay niarahaba ny fandresen’i Jair Bolsonaro :

Foi com muito interesse que acompanhei o processo eleitoral ocorrido no Brasil, culminando com a eleição de Vossa Excelência ao importante cargo de Presidente da República Federativa do Brasil. Permita-me, deste modo, apresentar-lhe as minhas mais vivas felicitações pela vitória conseguida e maiores sucessos no exercício das suas novas funções.

Gostaria de aproveitar desta oportunidade para transmitir a Vossa Excelência o firme propósito do meu País em continuar a trabalhar com o Brasil, país com o qual partilhamos uma história comum de séculos, os valores da democracia e os direitos universais, quer no plano bilateral, em prol do estreitamento das nossas relações amistosas e de cooperação, quer no quadro da CPLP, mormente neste contexto da presidência rotativa de Cabo Verde desta nossa grande família que é a CPLP, e no quadro multilateral mais amplo.

Renovo a Vossa Excelência os votos de muitos sucessos na assumpção das suas nobres funções e muita saúde para si e família.

Tena nahaliana ahy ny nanaraka ny fizotry ny fifidianana izay natao tany Brezila, izay nifarana tamin’ny fandresen’ny Filoha Hajaina ho amin’ny andraikitra lehibe indrindra, dia ny an’ny Filoham-pirenena Federaly ao Brezila. Mamelà ahy ihany koa ianao hanolorako ny fiarahabana amin’ny fandresena azonao sy ny fahombiazana lehibe indrindra amin’ny andraikitra vaovao izay ho raisinao.

Tiako ny manararaotra ity fotoana ity mba hampitako amin’ny Filoha Hajaina ny fanirian’ny fireneko ny mba hanohizana ny fiaraha-miasa amin’i Brezila,izay firenena nifampizaranay ny tantara niraisana nandritra ny taonjato maro, ny lanjan’ny demokrasia sy ny zo tsy manam-petra, eo amin’ny sehatry ny roa tonta, ho fanohanana ny fanamafisana ny firahalahiana sy ny fiaraha-miasa, tahaka ny ao anatin’ny CPLP, indrindra fa tamin’ity fanendrena filoha ao Cap Vert ity izay fianankaviam-bentsika dia ny CPLP, ary amin’ny sehatra fiaraha-miasan’ny Fanjakana midadasika kokoa.

Havaoziko indray ny firariantsoa ho an’Atoa Filoha Hajaina mba hahitanao fahombiazana amin’ny fandraisanao an-tanana ny anjara asanao manankaja ary ny firariana ny fahasalamana ho anao sy ny fianakavianao.

Raha tsy nisy ny famoahana izany tao amin’ny kaontiny tao amin’ny tambajotra sosialy dia niarahaba an’i Jair Bolsonaro noho ny naha voafidy azy ny Praiminisitra Portiogey [5] Antonio Costa, tamin’ny alalan’ny fanambarana nivoaka an-gazety teo an-toerana :

O Governo português cumprimenta o Presidente eleito do Brasil, país com o qual mantemos uma relação bilateral intemporal, assente numa língua comum, em fortes laços históricos, económicos e culturais, e na presença, em ambas as sociedades, de comunidades dinâmicas e plenamente integradas.

Miarahaba ny Filoha voafidy tany Brezila ny governemanta Portiogey, izay firenena hanohizana fifandraisan’ny roa tonta mari-pototra, mifototra tamin’ny fiteny iraisana, amafisin'ny rohy ara-tantara matanjaka, ara-ekonomika sy ara-kolontsaina, ary ny fisian’ireo vondrom-piarahamonina mavitrika sy manolotena tanteraka ao amin’ny fiarahamonina roa tonta.

Ny filohan’i Angola Joâo Lourenço kosa nandefa ny fiarahabany tao anatin’ny hafatra nalefa tao amin’ny kaonty Twitter izay an’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny:

Niarahaba an’i Jair Bolsonaro ny Filohan’ny Repoblika Joâo Lourenço tamin’ity Alatsinainy faha 29 Oktobra ity, noho ny fandresena tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana tany Brezila, izay nanokana azy ho Filohan’ny firenena lehibe indrindra any Amerika Atsimo.