- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sri Lanka: Maneho ny Heviny momba ilay Famonoana an'i Lakshman Kadirgamar ireo Bilaogy

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)

Novonoin'ireo mpitily tao Colombo i Lakshman Kadirgamar [1]. Namoaka ny indi.ca fa tsy maintsy ho ny LTTE no namono an'i Kadirgamar [2]. Manao fanambaràna mitovy amin'izay [3] ny Nidahas. Manana tantara momba ny zavatra azon'ireo sampana Fitsikilovana ao amin'ny Tafika tamin'ny onjampeo [4] ny LankaBuzz. Mamaly izany i Morquendi amin'ny filazàna fa tsy afaka melohina ny LTTE mandra-pisian'ny porofo [5] avy amin'ny Governemanta, na ny LTTE. Manana lahatsoratra iray izy izay miezaka manakatra izay hahazo tombontsoa amin'ity famonoana ity [6], sy ny hoe resaka pôlitika ihany ve ilay izy.

Tsy mieritreritra i Arvind fa hahomby ny marimaritra iraisana amin'ny LTTE [7] (rohy maty). Sosotra amin'ny sasany amin'ireo fanehoankevitra [8] momba io famonoana io ny One one things. Mitomany ny fahaverezanà mpitarika iray [9] (rohy maty) ny Days Go By .