Takian'i Jordania ny tany ‘nampanofaina an'Israely’ araka ny fifanarahana fandriampahalemana 1994

Andro fahatsiarovana tao Baqoura/Naharayim. Sary avy amin'i Yoavd azon'ny rehetra ampiasaina. Loharanon-tsary: Wikipedia.
Nankasitrahan'ny Jordaniana, izay niantso izany ho “fandresena ara-tantara” ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka Jordaniana Abdullah II hanafoana ny ampahany amin'ny Fifanarahana Fandriampahalemana Wadi Araba, mba hamerenana amin'i Jordania ireo faritra maromaro misy ny tany nampanofaina an'i Israely.
Efa ela ny Jordaniana no nanondro ny tanin'i Baqoura (Naharayim amin'ny teny hebreo) sy Ghumar ho “tany Jordaniana nampanofaina tamin'i Isiraeliana” araka ny fifanarahana fandriampahalemana Israeliana-Jordaniana tamin'ny taona 1994. Nandritra ny resadresaka tamin'ny TV March nifanaovana tamin'ny praiminisitra sy ny lehiben'ny mpanelanelana ny fandriampahalemana Abdel Salam Majali, nanambara izy fa “tanin'ny Israeliana (olon-tsotra) eo ambany fiandrianana Jordaniana ireo”, ka nanafintohina ny Israeliana sy ny Jordaniana.
Nandinika indray ireo fepetra voalaza ao amin'ny fifanarahana fandriampahalemana ny olom-pirenena Jordaniana, ny antoko politika sy ny olo-malaza ao amin'ny parlemanta ary nanamafy fa ireo voalaza mikasika ny faritra roa dia tsy milaza ny teny hoe “hofaina” na dia eo aza ny fomba fijerin'ny vahoaka.
Ny fifanarahana fandriampahalemana, raha ny marina, dia mametraka ny tanin'i Baqoura sy Ghumar eo ambany “fitsipika manokana” eo amin'ny firenena roa tonta mandritra ny 25 taona, ary tapitra amin'ny volana Oktobra 2019. Midika ny fifanarahana fa tsy iharan'ny lalàna mifehy ny fadin-tseranana sy ny fifindramonina ireo faritra ireo. Nanome ho an'i Israely ny zo tsy voafetra hivezivezy sy ho tompony ihany koa izany.
Raha toa ka tsy te hanavao ny fepetran'ny fifanarahana ny firenena roa tonta, dia tsy maintsy mampilaza herintaona mialoha ho an'ny hafa mikasika ny fikasany izay hanao izany, raha tsy izany mihavao ho azy ny fepetra.
Nahatezitra ny vahoaka ny fanambarana natao tamin'ny volana Martsa, izay nieritreritra fa ny fampiasana tsy tapaka ny teny hoe “fanofana” rehefa miresaka momba ny olana tamin'ny taona lasa dia “fikasana iniana hamitahana ny vahoaka”, hoy ny filohan'ny Filan-kevitry ny Fikambanana Matihanina, Ibraheem Tarawneh nanamafy tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety.
Tarawneh nilaza hoe:
We were fooled into thinking it was a lease to be terminated after 25 years, but now we know that there is no lease, and that we were actually under what qualifies as Israeli occupation and exploitation all this time.
Nofitahana izahay mba hieritreritra fa fanofana hifarana afaka 25 taona izany, saingy fantatray ankehitriny fa tsy misy ny fanofana, ka raha ny marina, dia tao anatin'ny fibodoana sy fanararaotan'ny Israeliana izahay nandritra ireo fotoana izao.
Nandany ny fito volana manaraka ny vahoaka Jordaniana nitaky fanambarana mazava avy amin'ny governemanta mikasika ny fe-potoana akaiky ho an'ny fanambarana tsy maintsy ataon'i Jordania raha mikasa hamarana ny fepetra izy.
Noho ny governemanta mandà tsy haneho hevitra momba io olana io, ary andro efatra sisa alohan'ny fe-potoana farany hanaovazana ny fepetra, nidina an-dalambe ireo mpikatroka Jordaniana tamin'ny 19 Oktobra 2018 mba haneho ny fanoheran'izy ireo ny fanavaozana, izay antsoin'izy ireo hoe ” zavatra mahamenatra nanenjika ny vahoaka Jordaniana hatry ny ela.”
Roa andro taorian'ny hetsi-panoherana, navoaka tamin'ny alàlan'ny Twitter ny fanambaran'ny Mpanjakan'i Jordana hanafoana ny fepetra ao amin'ny fifanarahana momba an'i Baquoura sy Ghumar, manamarika fanehoan-kevitra tsara avy amin'ny Jordaniana manerana ny Fanjakana izay nanahy ny fahanginan'ny governemanta momba io raharaha io.
لطالما كانت الباقورة والغمر على رأس أولوياتنا، وقرارنا هو إنهاء ملحقي الباقورة والغمر من اتفاقية السلام انطلاقا من حرصنا على اتخاذ كل ما يلزم من أجل الأردن والأردنيين
— عبدالله بن الحسين (@KingAbdullahII) October 21, 2018
Baqoura sy Ghumar no teo an-tampon'ny laharam-pahamehantsika. Ny fanapahan-kevitray dia ny hampitsahatra ny fepetra Baquoura sy Ghamar avy amin'ny fifanarahana fandriampahalemana (Jordania-Israely taona 1994) noho ny fikasanay handray fanapahan-kevitra hanompo an'i Jordania sy ny Jordaniana.
Mbola tsy namoaka dingana manaraka momba ny famerenana ny tany ny governemanta, saingy maminavina ireo mpanao fanadihadiana ara-politika fa raha momba ny tany Baqoura – an'(olon-tsotra) Isiraeliana, dia tsy maintsy mividy izany any amin'ny tena tompony ny governemanta.
Ho an'i Ghumar, hofoanana ny fifanarahana ny “fitsipika manokana”, fa mamerina fotsiny ny tany ho any amin'ny fiandrianana Jordaniana ary mametraka indray ny fehezan-dalàna toy ny fifindra-monina sy ny fadin-tseranana tsy hita tamin'ny fifanarahana.
Taorian'ny fanambaran'ny Mpanjaka, nisioka io andro io ihany koa ny Praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu:
سندخل في مفاوضات مع الأردن حول امكانية الاستمرار في الإجراءات الحالية. ولكن بدون شك, من منظور عام, المعاهدة برمتها تشكل ذخرا مهما وغاليا للبلدين.
— بنيامين نتنياهو (@Israelipm_ar) October 21, 2018
Hiditra amin'ny fifampiraharahana amin'i Jordania mikasika ny mety hisian'ny fanitarana ny fifanarahana efa misy isika. Saingy tsy misy isalasalana fa, manome tombontsoa lehibe sy sarobidy ho an'ny firenena roa tonta ny fifanarahana.
Tsy nisy fifanakalozan-kevitra hafa avy amin'ny lafiny iray taorian'ny siokan'i Netanyahu, na dia nanomboka niely aza ny tsaho fa hanafoana ny famatsian-dranony ho an'i Jordania i Isiraely. Nolavin'ny governemanta Jordaniana avy hatrany izany tsaho izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...