- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Valinkafatry ny fifidianana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2005)

Fandalinana na aiza na aiza taorian'ny fifidianana parlemantera tany Venezoela tamin'ny Alahady teo. Manolotra sombin-tantara vitsivitsy mikasika ireo resaka teny [1] an-dalamben'ny saranga ambony ao Caracas i A.M. Mora y Leon. Mijery ny fanehoankevitra Amerikana [2] i Boz. Misalasala manoloana ny fanehoankevitr'ireo antoko mpanohitra [3] amin'ny fialangalan'ny mpifidy i Leftside. Milaza i Miguel avy amin'ny Dikin'ny Devoly fa na ireo Chavistas aza tsy mahita ilay fifidianana tamin'ny Alahady ho toy ny tena fandresena. Manohana i Oil Wars fa ara-dalàna kokoa noho ireo fifidianana kaongresy mahazatra ao Etazonia ireo fifidianana parlemantera tany Venezoela [4].

Lazain'i Daniel fa ”nanakorontana ny fifidianana Venezoeliana ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana [5],” raha toa ka manohana [6] i Oil Wars hoe, na nisy aza ireo tsikera maro natao, ”tena tsara be ihany ny vokatr'ilay fifidianana, nanaja ny fenitra avobe iraisam-pirenena no sady tena naneho tsara ilay safidy ireo vokatra farany.”

Tsikerain'i Alex Beech  [7]ny fomba nandrakofan'i Juan Forero, ilay mpanao tatitra ao amin'ny New York Times ao Kolombia, an'ilay fifidianana. Milaza i Tomas Sancio, izay mitsikera ny fandrakofan'ny New York Times an'i Venezoela ihany koa, fa very ny fifandraisan'i Chavez tamin'ny vahoaka [8].

Milaza [9] i Louise Auerhahn fa na rariny aza ny mpanohitra raha tsy hahatoky ny Filankevitra Nasionalin'i Venezoela momba ny Fifidianana (CNE), feno mpanaramaso maro teny mba hahafahana milaza fa tena fifidianana tsy nitanila iny.

Manangona fanehoankevitra momba ireo valin'ny fifidianana avy amin'ny mpandalina manerana izao tontolo izao ny tanonkalam-bilaogy vaovao iray, Caracas Connect [10].
Mamaritra ny tenany toy ny ”blaogy natokana ho an'ny resaka mikasika an'i Venezoela sy ny politika ivelany ao Etazonia manoloana ny ilabolantany atsimo iray manontolo” ny fanambaràna ny iraka tontosain [11]‘ilay blaogy.

Farany, mitady fanaitairana ho an'ny fampisehoana rahampitso mikasika Ny Politikan'i Venezoela [12] ny Open Source Radio.