- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Fanoherana Mba Hanaovana Ny Fifidianana Savaranonando

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2006)

Samy mankalaza ny fanapahankevitry ny vondrona mpanohitra SUMATE ny hanaovana ny savarfanonando hisafidianana kandidà hifanandrina amin'i Chavez amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy i Oil Wars [1] sy i Jorge Arena [2]. Na izany aza, manana ahiahy (ES) [3] i El Espacio de Lubrio mikasika ny fanambaràna izay milaza fa hodorana eo noho eo ireo vato rehefa vita ny fanisàna. ”Raha nanao izany ny CNE, tsy tokony ho ampangaina ho nanao hosoka ve izy ireo? Afaka itokisana ve ireo fifidianana savaranonando ireo?”