- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Atsimo: Fihetsehampo Voalohany tamin'ilay Horohorontany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Atsimo, India, Pakistana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Nisy horohorontany nahatratra ny maridrefy 7.6 Richter nikapoka an'i Azia Atsimo  [1]androany maraina, i Kashmir no foibeny [2]. Manana ny rakitr'ireo zavatra manokana niainan'ny olona [3] nandritra ny horohorontany ny Bilaogy Saleem India. Ny Bilaogin'i Mubeen kosa miresaka momba ny zava-niainana nampihorohoro nandritra ny horohorontany [4].

Miresaka momba ny Sabotsy maraina ravan'ny hovitrovitra ny Metroblogging Lahore. Eto ny resaka maro hafa mikasika ireo tatitra momba ny fahasimbàna [5] (pejy voafafa), ny hovitrovitra mitohy ary ny zava-nianana tena nampahatahotra. Vavaka iray ho an'i Islamabad [6]. Manana eritreritra hivavaka ho an'ireo niharan'ny horohorontany i Brian na eo aza ny fahasamihafàna ara-pomba [7]. Rohin'ireo sary [8]ao amin'ny Bilaogy Sea Eat.