- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Medellin, Kolombia: Avy Any Amin'ny Renivohitriny ny Fakàna An-keriny Lasa Tanànan'ny Fanavaozan-kery

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

medellin [1]Tao amin'ny podcast Rising Voices voalohany, nitsidika an'i Bangladesh izahay [2], izay ampianaran'ny foibe Nari Jibon ireo tovovavy any Dhaka mab haneho ny heviny amin'ny fandraisana anjara amin'ny resaka an-tambajotra. Amin'ity herinandro ity, ovànay ny endrika ka alefa ity podcast ity, izay mizara roa.

Voalohany, nifankahafantatra tamin'i Medellin, Kolombia aloha izahay; ny lasany feno herisetra, ny fandriampahalemany manjaka amin'izao fotoana izao, ary ilay ben'ny tanànany mahay matematika izay manafatra tranomboky maodernista goavambe ho any amin'ireo vohitra mahantra indrindra manodidina ilay tanàna.

Ao amin'ny fizarana faharoa amin'ity podcast ity, izay havoakanay avy eo anatin'ity herinandro ity, hifantoka amin'ny tetikasa HiperBarrio [3] isika ary hahafantra ny fomba andehanan'ireo blaogera  vitsivitsy ao Medellin mankany amin'ireo havoana ao amin'ny tanànany mba hampianarana an'ireo tanora mpiasa ny fitaovana fanaovan-gazetin'olontsotra.

Ao amin'ny podcast androany, ireto no olona iresahantsika:

“Madrugada a la Gil Evans” novokarin'ny Rodoben-javamaneno Paloseco Brazz ary hita tao amin'ny ccMixter no hira manaingo nampidirana izany. Novokarin'ilay Kolombiana mpahay mozika sady blaogera Lizardo Carvajal ny hira famaranana, “Del Cielo Que Nos Robaron”. Nampiasàna ny lisansa Creative Commons 2.5 [8] ho ampahany amin'ilay DVD-n'ny  Fihaonana An-tampony 2006.

Toy ny nampanantenaina, ity misy lahatsary Youtube momba ny MetroCable ao Medellin :

Mendrika ho vakiana ihany koa ny hevitr'i Andres Duque mikasika ilay MetroCable [9] ary ny fomba nanampian'izany tamin'ny fanovàna an'i Medellin.

Manaraha ny podcast Global Voices amin'ny fampiasana ny iray amin'ireto rohy maraka ireto:

RSS [10] | iTunes (podcast page) [11] | iTunes (direct subscription link) [12] | Odeo [13]