- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tandremo! Tsy Hiaro Anao ny Yahoo!

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2005)

Araka ny voalazan'ny Reporters Sans Frontieres [1], nanampy ny famonjàna ilay Sinoa mpanao gazety Shi Tao mandritra ny 10 taona ny fampahalalàna nomen'ny Yahoo!.

Asehon'ny taratasin'ny valim-pitsaràna tamin'io raharahan'ny mpanao gazety Shi Tao [2] io – izay voampanga hifonja 10 taona noho ny “famoahana ireo tsiambaratelom-panjakana any ivelany” – fa nanome antsipiriam-baovao nahafahana namantatra sy nanameloka azy tany amin'ireo manampahefana Sinoa ny Yahoo! Holdings (Hong Kong) Ltd [3]. Mampiseho izany fa nanome fampahalalàna tamin'ny antsipiriany tany amin'ny sampana mpanao fikarohana ao Sina io orinasa io, izay toa nahafahan'izy ireo nampifandray ny mailaka manokan'i Shi (ao amin'ny tolotra Yahoo! Sinoa ao amin'ny yahoo.com.cn [4]) sy ireo hafatra nisy ny fampahalalàna noraisina ho “tsiambaratelom-panjakana” tamin'ny alàlan'ny IP-n'ny solosainy. Eto ny antsipiriam-baovao avy amin'ny RSF [5] (pejy voafafa).

Nofonjaina i Shi Tao satria nandefa mailaka ireo fampahalalàna ara-pôlitika saropady havoaka any amin'ireo vohikalan'ny mpanohitra ivelan'i Sina. Fampitandremana ho an'ny bilaogera rehetra maneran-tany ny tranga nahazo azy: Raha mamoaka vaovao sy fomba fijery tsy tian'ny governemanta misy anao hivoaka ianao – na mino aza ianao fa manan-jo hanao izany araka ny Fanambaràna Iraisam-pirenena momba ny Zon'Olombelona [6] -tsy hiaro anao amin'ny governemantanao ireo orinasa tahaka ny Yahoo!.

Jereo eto ny didim-pitsaràna an'i Shi Tao amin'ny teny Anglisy sy Sinoa miaraka [7] (PDF) natolotry ny Fikambanana Dui Hua [8], fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakàna mipetraka ao San Francisco.