Tontolon'ny bilaogy Saodiana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2006)

Tratry ny Ramadana ny rehetra. Tongasoa eto amin'ity fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Saodiana ity. Ny fanakanana ny Blogger.com no vaovao lehibe ato amin'ny tontolon'ny blaogy Saodiana tamin'ity herinandro ity.

Rehefa nahita izy fa nosakanana ny Blogger, dia nanomboka nameno ny taratasy fanokafana avy hatrany i Noura, na izany aza, nihevitra izy fa tsy hanokatra izany ny ISU. “Nanandrana azy ireo imbetsaka aho taloha ary fantatro ny paikadin'izy ireo. Isaky ny mahita tranonkala manintona ny sain'ny fiarahamonina Saodiana izy ireo, dia sakanan'izy ireo izany,” hoy izy nanoratra. Nantsoin'i Mashi Sah hoe “tantara ratsy” ny  zava-nitranga, ary i Riyadhawi niantso hoe KACSTtanànan'ny haizina“.

Dotsson, vaovao ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana, nanao fitetezana mba hanasongadina ny fihetsik'ireo bilaogera maromaro mikasika ny fanakatonana, nampiasa ny endrika fanesoana mampiavaka azy izy.

Roba indray nandefa lahatsoratra momba ny herisetra atao amin'ny vehivavy. “Misy ny ady mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizy eto amin'izao tontolo izao!” hoy izy. Ny iray amin'ireo ohatra napetrany dia ny raharaha Rania Al-Baz. Ary raha milaza i June fa manohana an'i Rania izy, na dia tsy fantany aza hoe nahoana, Nour kosa manohitra, ary mihevitra fa “eo ampanatontosana ny dimy minitra mampalaza azy i Rania.”

Abduh miresaka momba ny tombontsoa amin'ny fampiasana boky elektronika amin'ny fanabeazana. Farooha namoaka sary sasany avy amin'ny tanànan'i Riyadh. “Riyadh  endriny tsy misy fanamboamboarana sy mahery setra, Riyadh araka ny maha-izy azy,” hoy izy. Deema mitantara amintsika momba ny fihaonany voalohany tamin'ny vadin'ny rahalahiny, izay nahagaga azy fa Japoney. Nzingha manana lahatsoratra lava mahafinaritra momba ny fiainana iombonana ao Arabia Saodita. Maka fotoana ihany koa izy mba hampianarana antsika fomba nahandro sasany amin'ny Ramadhan. Leo an'ireo rehetra voalaza etsy ambony? Azonao atao ny manandrana ny teknikan'i Mochness mba hialàna amin'ny fahaleoleovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.