- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy hisy intsony  ve ireo sarin'ny solombavambahoaka matory ? Mametra ny zavatra avoakan'ny fampitam-baovao ao amin'ny Parlemanta ao Tasmania ny lalàna vaovao

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
[1]

Efitra Fivorian'ny Antenimiera ao Tasmania. Sary avy amin'i Edoddridge. Loharanon-tsary: Wikimedia Commons

Manohitra ny torolàlana momba ny media vaovao navoakan'ny Filohan'ny Antenimiera ao Tasmania Sue Hickey ny mpanao gazety sy ny vondron'ny fampitam-baovao. Tasmania dia nosy mizakatena ao Aostralia any atsimon'ity firenena nosy ity.

Manazava amin'ny antsimpiriany ny zavatra azo havoaka sy voarara ho an'ny mpanao gazety rehefa manao tatitra ao anatin'ny Efitry ny Antenimiera sy ao anatin'ny lapany ilay antontan-taratasy sivy pejy nidaty tamin'ny volana Aogositra 2018. Nilaza ireo vondron'ny fampitam-baovao fa manohintohina ny asany ireo lalàna vaovao ary tsy ahafahany mihitsy mitatitra ny fizotry ny raharaha ao amin'ny Parlemanta.

Ireto ny sasany tamin'ireo fitsipika [2] voatsikera:

Namaritra [3] ilay fitsipika vaovao ho “fanafihana manohintohina indrindra ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny lapan'ny parlemanta” ny Fiombonan'ny Fampitam-baovao, ny Fialamboly sy ny Zavakanto, ny fikambanan'ny mpanao gazety matihanina any Aostralia.

The guidelines represent an outrageous assault on press freedom, undermine the role of the media in carrying out legitimate scrutiny of the work of the state’s elected representatives, and hinder the dissemination of news and information to the people of Tasmania.

Ny torolalana dia mampiseho ny fanafihana mahery vaika atao amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, manohintohina ny anjara asan'ny fampitam-baovao amin'ny fanaraha-maso ara-dalana ny asan'ireo solontenam-panjakana voafidy, ary manakana ny fampielezana vaovao amin'ny vahoaka ao Tasmania.

Nitsipaka [4] ny torolàlana vaovao ihany koa ny The Mercury, gazety any Tasmania:

…these rules are nothing more than a sneaky way for our elected officials to avoid scrutiny as they go about the job taxpayers pay them to do in the building at the centre of our democratic system.

… ireo fitsipika ireo dia tsy inona fa fomba iray haingana ho an'ireo olom-boafidy mba hisorohana ny fanaraha-maso rehefa miasa izy ireo ary ireo mpandoa hetra ao anatin'ny rafitra demokratika no mandoa ny karamany ao amin'ny tranobe.

Mihevitra ny hanohy ‘mihainohaino’ ao an-dalantsaran'ny Parlemanta izy ireo na dia eo aza ny fitsipika fandraràna vaovao:

We therefore plan to continue to do so in the interests of open democracy and accountability. If the Speaker plans to enforce this ban, then that is a decision that would be on her head.

Noho izany dia mikasa ny hanohy hanao izany ihany izahay ho amin'ny tombontsoan'ny demaokrasia malalaka sy ny mangarahara . Raha mikasa ny hampihatra ity fandraràna ity ny Lehiben'ny Parlemanta, dia hiverina aminy izany fanapahan-kevitra izany.

Tao amin'ny Twitter, nanontany ny fitsipika izay mandrara ny fakana sary momba ny ‘fitondrantena tsy mifanaraka amin'ny maha-parlemanta’ ataon'ny parlemantera ilay mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Australiana Brydon Coverdale.

Mandrara ny fampitam-baovao tsy haka ny “sarin'ny” fitondrantena tsy mifanaraka amin'ny maha-parlemanta ” ny parlemantan'i Tasmania.

Mihevitra ny tenany ho iza ireo mpanao politika ireo? Ny vahoaka no nifidy azy ireo, ary manan-jo hahita  ny fomba fitondrantenany ny vahoaka.

Nanamafy ny Lehiben'ny Parlemanta Hickey fa tsy hoe zava-baovao akory ny torolàlana izay navoakan'ny biraony, ary mifanaraka amin'ny fenitra any amin'ny fanjakana parlemantera hafa. Ny sasany amin'ireo parlemantera ihany koa dia voalaza fa tsy faly fa afaka manontany azy ireo mora foana ao amin'ny efitranom-pivoriana ny mpitati-baovao. Saingy nanaiky ny tsikera manohitra ireo torolàlana vaovao ireo i Hickey ary nivoady ny hanontany [7] ny hevitry ny fampitam-baovao momba izany.

Mandritra izany fotoana izany, naka ny sarin'izy ireo  ‘mihainohaino’ tao an-dalantsara izay voarara araka ny torolalana ireo mpanao gazety sasantsasany.

Mpanao gazety mihainohaino ao amin'ny parlemantan'i Tasmania. Ny karazana fihetsika ho raran'ny fitsipika vaovao

Namaly ny Lehiben'ny parlemanta Sue ary nanome toky azy ireo fa hanome lanja ny asan'ny fampitam-baovao ny biraony .

Manantena aho fa hihaona aminareo rehetra amin'ny herinandro manaraka mba hahatongavana amin'ny marimaritra iraisana, mankasitraka ny fiaraha-miasa amin'ny fampitam-baovao izahay!