Azia Atsimo: andron'ny bilaogin'ny horohorontany

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Indro ny andron'ny bilaogin'ny horohorontany !
Blog Quake Day

Tamin'ny taon-dasa (2004), nanjary fitaovana amin'ny fanangonana fanohanana ho an'ny fotokevitra sy hanasongadinana ireo olana izay hadinon'ny Fampitam-baovao Mahazatra ny bilaogy. Nanao fanambarana manan-danja i Sepia Mutiny- fa tsy nisy ny fialan-tsiny ho an'ny tsy manome, raha ireo izay manana ny kely eo am-pelan-tanany kosa no manome betsaka .

So, while Kofi Annan slams countries for only committing to about a tenth of what quake victims need, victims of the tsunami—who are still suffering from their own tragedy which stole 200,000 lives all over Asia— have donated to local quake relief efforts. Maybe the world is suffering from “disaster fatigue”.

Noho izany, raha nanome tsiny ireo firenena i Kofi Annan noho ny tsy fanomezana afatsy ny iray ampahafolon'ny zavatra izay nilain'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany,  ireo niharam-boina tamin'ny tsunami -izay mbola mijaly noho ny voina nahazo azy ireo izay nahafatesan'olona miisa 200.000 nanerana an'i Azia dia nanome fanomezana amin'ny ezaka fanampiana tamin'ny horohorontany tao an-toerana. Angamba mijaly noho ny ” harerahana noho ny voina” izao tontolo izao.

Raha namaly ity antso ity – nanambara ny Andron'ny Bilaogy Ho An'ny Horohorontany i DesiPundit tamin'ny 26 okt 2005. Niantso ireo bilaogera eran-tany mba hampiasa ny heriny

We request each of you to make a small post about the earthquake, and direct your readers to a suitable avenue for donating to the relief efforts… Every single dollar contributed, multiplied by the vast numbers of bloggers, will go a long way in helping these people rebuild their lives.

Mangataka ny tsirairay aminareo izahay mba handefa lahatsoratra fohy momba ny horohorontany, ary hitarika ny mpamaky anareo ho any amin'ny lalana azo antoka hanomezana ezaka fanampiana… Ny vola dolara izay arotsaka, ampitomboin'ireo bilaogera maro, dia ho entina hanampiana ireo olona hanorina indray ny fiainany.

Namaly ity antso ity ireo bilaogy manerantany . Naneho ny hevinyInstapundit. Nivarotra T-shirts i Chapati Mystery ary nanaovana fanampiana ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany ny vidiny. Antso ho an'ireo mpanatontosa rakipeo. Ireo lahatsoratra hafa tamin'ny Andro Famahanana Bilaogy Ho An'ny Horohorontany – Sepia Mutiny, De Growchy Owl, Truth and Beauty, Veiled4Allah, Travel tales from India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.