- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifandirana tany atsimon'i Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niakatra ny tahotra raha naharitra 15 volana ny korontana niely [1] tany amin'ny faritany atsimon'i Thailandy.

Nanjary faritra somary saropady ny faritra tany amin'ny sisintany Maleziana satria nahitana ireo hetsi-panoherana Miozolomana mikatsaka ny fahaleovantenan'ny faritra manohitra ny governemanta Bodista maro an'isa. (Jereo ny Pikan-tsary [2] eto [3] , eto [4] , eto [5] ary eto [2] .)

Misy ny bilaogy nosoratan'i Sittha Lertphaiboonsiri izay manolotra ny fomba fijery miabo ho an'ny mpanara-maso Thailandey. Conflict in the South of Thailand (Fifandonana ao atsimon'i Thailandy) no anarany ary ao amin'ny ForumAsia ao Bangkok no ahitana azy . URL:

http://www.forumasia.info/southernthailand [6]

which will be re-routed to:

http://babylon.servershost.net/~forumasi/web/blogs/ [7]

izay hitondra indray mankany amin'ny:

Mifandray amin'ny Oniversite Thammasat [8] i Sittha. Miteny tsara ny fiteny Bahasa Indoneziana izy – miaraka amin'ny lantom-peo – ary nanome anarana Indoneziana ho an'ny tenany. Sady Shinoa, no Katolika no Thailandey izy .

Kandidà tsara ho an'ny famahanana bilaogy mpampifandray [9] izy .