Bangladesh: Tetika fampihorohoroana iray hafa

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namely an'i Bangladesh indray ny fampihorohoroana. Nitatitra i Adda

It happened again very sadly. Terrorist group in Bangladesh yesterday killed two judges… This is an unfortunate trend in the recent years where fundamentalism and religious militancy in Bangladesh have been on rise. Since, Bangladesh Nationalist Party (BNP) has allied with the wicked Jamat-i-Islami and Islami Forum to come to power; Islamist groups have been politically and administratively patronized in Bangladesh.

Tena nampalahelo indray ny fisehon'izany. Namono mpitsara roa ny vondrona mpampihorohoro ao Bangladesh… Tranga mampalahelo izay nitranga tao anatin'ny taona vitsivitsy ary nahitana ny firongatry ny fondamentalisma sy ny fikatrohana ara-pinoana tao Bangladesh. Nanomboka teo dia niara-dia tamin'ny olon-dratsy Jamat-i-Islami sy Islami Forum mba ho tonga eo amin'ny fahefana ny Antoko Nasionalista Bangladesh (BNP);  Notompoina ara-politika sy ara-pitantanam-panjakana tao Bangladesh ny vondrona Islamista.

Nihevitra i Rezwan ao amin'ny 3rd World View fa mety mihoatra noho ny zavatra hita ny zava-misy.

There is a deeper conspiracy in this. the Islamic millitants see the court as their biggest hurdle as after the Aug 17 bombings the police apprehended more than 500 extremists and banned two Islamic groups (JMB being one of them). The police is on the verge of exposing the kingpins and go for speedy trials of these elements. So crippling the legal system might be the agenda of those who wants to establish Islamic law in Bangladesh.

Misy ny firaisana tsikombakomba lalindalina kokoa amin'izany. Mahita ny fitsarana ho vato misakana lehibe indrindra ho azy ireo taorian'ny fipoahana baomba tamin'ny 17 Aogositra 2005 ny mpitolona Islamika. Nisambotra ekstremista miisa 500 mahery ny polisy ary nandrara ny vondrona Islamika roa (iray amin'izany ny JMB).  Eo an-dàlana amin'ny fampisehoana ny hao (kongona) ny polisy ary hanomboka ny fitsarana haingana. Noho izany dia mety ho fandaharam-potoan'ireo izay mikasa ny hanangana lalàna Islamika ao Bangladesh ny fanozongozonana ny rafi-pitsarana.

Ary hoy i Salaam Dhaka

Ladies and gentlemen, Jamaat has arrived. We can thank Begum Khaleda Zia for this one!

Tompokolahy sy Tompokovavy, tonga i Jamaat. Azontsika atao ny misaotra an'i Begum Khaleda Zia noho izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.