- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voasakana ve ny blog-city tany Shina ?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Hatramin'ny omaly tolakandro, nanomboka nosakanana tany Shina ny blog-city [1], BSP malaza. Mbola eo ambany fanivanan'ny GFW [2] (Manda Aroafo Lehibe) izy ankehitriny, ilay tetikasa hamantarana ireo teny lehibe sy manakana tranonkala. Mbola hita any amin'ny tanibe Shina ny blog-city rehefa mampiasa ny proxy .

Nitatitra tao amin'ny bilaoginy [3] izay miantrano ao amin'ny blog-city i Anti, bilaogera fanta-daza iray izay sady mpanao gazety tranainy ihany koa ho an'ny vaovao iraisam-pirenena fa raha vao namoaka ny hetsi-panoherana tao amin'ny China Youth Daily [4] izy  dia nanomboka tsy azo nidirana ny bilaoginy. Namahana bilaogy momba ny hadisoan'ny governemanta hatramin'ny ela i Anti. Maro ny bilaogera Shinoa noho izany no tsy dia gaga [5] nahita ny bilaoginy sy ny blog-city voasakana. Ankehitriny izy dia nifindra nankany amin'ny bilaoginy fiandry [6] tao amin'ny MSN Space.

Manantena i Gordon [7], izay miara-miasa amin'ny ekipa mpanohana ny blog-city, fa tsy haharitra ela ity fanakanana ity. Nanasa ireo  bilaogera Blog City hafa ao Shina ihany koa izy mba hifandray aminy (amin'ny alàlan'ny  Imagethief [8] sy The Peking Duck [9] ). Nilaza izy fa miasa mba hahitana vahaolana ny ekipan'ny bilaogy.

Niatrika olana lehibe mikasika ny toerana ahafahana mibilaogy ny bilaogera Shinoa, indrindra ireo izay te-haneho hevitra malalaka. Mihabetsaka hatrany no voasakana ny BSP vahiny hafa, toy ny Blogsome, Typepad ary Blogspot. Saika ny BSP rehetra ao amin'ny Tanibe Shina no manana rafitra henjana manivana ny “teny ratsy” izay heverina ho ara-politika na saropady ara-pôrnôgrafia. Mila manoratra ny mombamomba azy manokana [10] ny bilaogera raha miantrano ao amin'ny sehatra lohamilina tsy miankina. Ho an'ireo bilaogera izay te-hibilaogy malalaka sy azo antoka dia afaka mampiasa ny programa “Adoptablog [11]” izy ireo.

Mihitatra ny Rindrina Aro-afo [12]. Iza no ho manaraka?