- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manjaka “Ny Feon'ny Vahoaka”: Tsy Maintsy Anaovana Latsabato ao amin'ny Parlemanta Ireo Krizin'ny Praiminisitr'i Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
[1]

Ny Parlemantan'i Sri Lanka. Sary avy amin'ny Flickr an'ny Kolitha de Silva. CC BY 2.0

Nanomboka tamin'ny 26 Oktobra, fony ny prezidàn'i Sri Lanka ,Maithripala Sirisena [2], nanongana an'i Ranil Wickremesinghe [3], praiminisitry ny firenena, mba nanolo azy tamin'ilay filoha teo aloha Mahinda Rajapaksa, nitondra fandinihana marobe teo amin'ny firenena ny krizy ara-politika [4] tamin'ny fanadihadiana ny maha araka ny lalàm-panorenana [5] ny fanendrena Praiministra tsy nisy fifampidnihana. Naaton'ny Filoham-pirenena ihany koa nandritra ny telo herinandro ny parlemanta ary noravàny ny kabinetran'ireo ministra [6].

Tsonga avy amin'ny “Momba ny Lalàmpanorenena, Kabinetra sy ny Fanonganam-panjakana”  https://t.co/4WVo4zmYKE [7] #lka [8] #SriLanka [9] #ConstitutionalCrisisSriLanka [10] #CoupLk [11] pic.twitter.com/T6YkxDu60S [12]

Ny 30 sy 31 Oktobra, ho valin'ny fanontaniana ny mahamety ny fanaisorana an'i Wickremesinghe sy ny fampiatoana vonjimaika ny Parlemanta, olona an'arivony no nidina teny an-dalambe atao Kolombo [14] mba hitaky ny fampiantsoana fivorian'ny Parlemantera ho famahana ny krizy ara-politika ankehitriny.

Fihetsiketsehana goavana tao Kolombo mitaky amin'ny Filoham-pirenena Sirisena ny hampiantsoana ny Parlemantera “Nandray fitenenana ny vahoaka. Mitaky ny Parlemantera. Avereno izao ny demokrasia “, hoy ny @RW_UNP [15] #SriLanka [9] pic.twitter.com/oUk51v5mTK [16]

Misaotra ! Vahoaka an'arivony maro no nirohotra niditra tao amin'ny ‘Temple Trees’ (toerana fonenan'ny praiminisitra). Nilamina izy ireo, tsy mamo ary tsy nihanika tamin'ireo andrinjiro. Tonga fotsiny izy ireo mba hitaky ny fiantsoana ny parlemantan'i #SriLanka [9] sy ny fanaisorana #PMSandoka [18]. Fahombiazana goavana. Tsy manosihosy ny demokrasia ny @MaithripalaS [19]. @RW_UNP [15] pic.twitter.com/RS1fh37d2N [20]

Fanavaozam-baovao mivantana mikasika ny fihetsiketsehana eo amin'ny faritra boribory ao amn'ny Kianjan'ny Fahafahana, itakiana ny fampiantsoana ny Parlemantera #lka [8] #srilanka [22] #Democracy [23] #ConstitutionalCrisisSriLanka [10] #CoupLK [24] pic.twitter.com/e9gAvqEMfL [25]

Nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety, ny Mpitondratenin'ny Parlemanta, Karu Jayasuriya, namporisika ny filoham-pirenena [27] mba hamela an'i Wickremesinghe hanaporofo ny fananany ny fanohanan'ny maro an'isa azy ao amin'ny Parlemanta, sady nampitandrina ny hisian'ny fandatsahan-drà raha mbola mitohy ny tsy fahitàna vahaolana.

Tamin'ity anio ity, nihaona tamin'ny filoham-pirenena ireo diplomaty an'i Firenena Mikambana, UE, Royaume-Uni, Kanadà sy Alemaina ary namporisika azy mba hampiantso ny Parlemantera sy hiaro ny demokrasia #lka [8] #SriLanka [9] #PoliticalCrisisLK [28] #CoupLK [24] pic.twitter.com/BVXPvo0crh [29]

Nahitam-bokany ireo tsindry natao tamin'ireo fihetsiketsehana mba hamondronana indray ny Parlemanta satria nalahatr'i Sirisena hanaovana latsabato ao amin'ny Parlemanta ny hanapahana hevitra mikasika izay tena ho Praminisitra ara-dalàna ny 7 novambra [31].

Fiarahamitantana iray tsy mahomby

Niteraka tahotra tamin'ny Sri-Lankey sasantsasany ireo zava-nisy tato anatin'ny andro maromaro, ny amin'ny mety ho fiverenan'ny fitondran'i Mahinda Rajapaska, fotoana nanjakan'ny herisetra nifanaovan'ireo foko, ny tsindry sy ny sivana tohanan'ny Fanjakana. Toy izay nomarihin'ny andiana mpianatra tao anaty fanambaràna [32] iray navoakan'ny GroundViews:

Tsiahy iray mampitahotra momba ny endriky ny didy jadona ny hazakazaka ho amin'ny herisetra sy amin'ny fanoherana. Ny fanonganam-panjakana dia arahan'ny fiverenana amin'ireo endrika fanivànana, ny herisetra, ny tahotra izay toetra mampiavaka ny vanimpotoan'ny politika tamin'ny andron'ny Rajapaksa. Nalaina ankeriny ireo mediam-panjakana ny alina ary nalàna tsy nisy alaharo alaharo koa ny fiarovana ny Praiminisitra sy ireo Ministra. Fanampin'izany, efa lasa fitaovam-pitaterana an'ireo vaovao tsy marina mankany amin'ny vahoaka ireo fantsona marobe fampitàm-baovao an'ireo tsy miankina hanaparitahana vaovao diso.

Nanambara tamin'ireo mpanao gazety i Sirisena fa nesoriny i Wickremesinghe rehefa fantany fa voasaringotra tao anatina fikononkononana hamonoana azy ity farany. Saingy heverina fa ny toe-draharaha misy ankehitriny, raha ny marina, dia anisany vokatry ny ady fahefana misy eo amin'i Sisisena, Wickremesinghe ary Rajapaksa.

Tamin'ny janoary 2015, ny Filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, Mahinda Rajapaksa, niantso fifidianana filoham-pirenena mba hanamafisany ny fahefany sy hahazoana fepotoam-piasàna faninteloy. Sirisena, minisitry ny governemanta Rajapaksa teo aloha, dia niala tao amin'ny Sri Lanka Freedom Party (SLFP) tantanin'i Rajapaksa ary notendren'ny United National Party (UNP) tantanin'i Wickremesinghe mba ho kandidà hisakanana ny fitondran'ny filoham-pirenena efa niongana. Nivoaka ho mpandresy tamim-pahagagana i Sirisena (nahazo vato 51,28%  nanoloana ny 47,28% azon'i Rajapaksa) ary dia lasa filoham-pirenena vaovao indray tao Sri Lanka.

Taorian'ny fifidianana, nanankina ny fitantanana ny antoko SLFP tamin'i Sirisena i Rajapaksa, mifanaraka amin'ny lalàmpanorenan'ny antoko, izay milaza fa izay rehetra mpikambana ka filoha dia lasa filohan'ny antoko avy hatrany. Nandritra ireo fifidianana solombavambahoaka, ny volana Aogositra 2015, teo ambanin'ny fiahian'ny United People’s Freedom Alliance (UPFA,nanambatra ny heriny ireo ankilafin'i Sirisena sy Rajapaksa mba handray anjara amin'ireo fifidianana). Ny fiarahamitantan'i Wickremesinghe, tantanin'ny UNP, dia nahazo ny toerana miisa 106 tamin'ireo 225, ny UFPA nahazo ny 95 – 55 an'ny ankolafy mpiandany amin'i Rajapaksa [33] ary 40 ho an'ny ankolafy  mpiandany amin'i Sirisena.

Taorian'ireo fifidianana solombavambahoaka, notendren'i Sirisena ho Praiminisitra i Wickremesinghe ary nanangana ny governemantam-pirenena taorian'ny nanaovana sonia ny fifanekena mba hamahana an'ireo olana tsy voavaha taorian'ireo adim-poko tsy nahitana fitsaharana nandritra ny 30 taona [34]. Hatreo, nanjary antoko mpanohitra  ny ankolafy SLFP notantanin'i Rajapaksa.

Nandritra ireo taona roa farany, na izany aza, niha.nahazo tanjaka i Rajapaksa [35] ary naraofin'ny antokony avokoa ireo fifidianana teo an-toerana tamin'ny volana febroary 2018. Tamin'ny volana Aprily 2018, tafavoaka velona tamin'ny fitsipaham-pitokisana [36] tao amin'ny Parlemantera notarihan'ireo mpiandany amin'i Rajapaksa i Wickremesinghe, fihetsika iray mazava tsara natokana handemena ilay fiarahamitantana efa marefo tsy marintoerana eo amin'ny fitondràna.

Ny laza misonga ho an'ny antoko SLFP an'i Rajapaksa sy ireo fifanenjanana misy eo amin'i Sirisena sy Wickremesinghe manodidina ny [37] fironan'ity farany ho mpiara-miasa ara-jeopolitika amin'i India fa tsy i Shina, dia mety ho iray amin'ireo antony marobe izay nifidianan'i Sirisena an'i Rajapaksa ho eo amin'ny toerana Praiminisitra.

“Nohenoina ireo feon'ny vahoaka…”, hoy ny fanambaràn'i Wickremesinghe, manana fijery miabo, teo amin'ny Twitter [38] tamin'ny 1 Novambra, taorian'ny nahafantarana fa ny parlemantera dia hivory indray [31] amin'ny herinandro ho avy. “Handresy ny demokrasia”.