Nanomboka tamin'ny 26 Oktobra, fony ny prezidàn'i Sri Lanka ,Maithripala Sirisena, nanongana an'i Ranil Wickremesinghe, praiminisitry ny firenena, mba nanolo azy tamin'ilay filoha teo aloha Mahinda Rajapaksa, nitondra fandinihana marobe teo amin'ny firenena ny krizy ara-politika tamin'ny fanadihadiana ny maha araka ny lalàm-panorenana ny fanendrena Praiministra tsy nisy fifampidnihana. Naaton'ny Filoham-pirenena ihany koa nandritra ny telo herinandro ny parlemanta ary noravàny ny kabinetran'ireo ministra.
Quote from “Of Constitutions, Cabinets and Coups” https://t.co/4WVo4zmYKE #lka #SriLanka #ConstitutionalCrisisSriLanka #CoupLk pic.twitter.com/T6YkxDu60S
— Groundviews (@groundviews) October 29, 2018
Tsonga avy amin'ny “Momba ny Lalàmpanorenena, Kabinetra sy ny Fanonganam-panjakana” https://t.co/4WVo4zmYKE #lka #SriLanka #ConstitutionalCrisisSriLanka #CoupLk pic.twitter.com/T6YkxDu60S
Ny 30 sy 31 Oktobra, ho valin'ny fanontaniana ny mahamety ny fanaisorana an'i Wickremesinghe sy ny fampiatoana vonjimaika ny Parlemanta, olona an'arivony no nidina teny an-dalambe atao Kolombo mba hitaky ny fampiantsoana fivorian'ny Parlemantera ho famahana ny krizy ara-politika ankehitriny.
Massive Demonstration in Colombo demanding President Sirisena to convene Parliament “The people have spoken. Summon Parliament. Restore democracy now” says @RW_UNP #SriLanka pic.twitter.com/oUk51v5mTK
— Azzam Ameen (@AzzamAmeen) October 30, 2018
Fihetsiketsehana goavana tao Kolombo mitaky amin'ny Filoham-pirenena Sirisena ny hampiantsoana ny Parlemantera “Nandray fitenenana ny vahoaka. Mitaky ny Parlemantera. Avereno izao ny demokrasia “, hoy ny @RW_UNP #SriLanka pic.twitter.com/oUk51v5mTK
Thank you! Tens of thousands of people thronged the entrance to Temple Trees. They were orderly, not drunk and didnt climb lamp posts. They came only to demand that #SriLanka parliament be summoned and dislodge #FakePM. Huge success. @MaithripalaS don’t trample democracy. @RW_UNP pic.twitter.com/RS1fh37d2N
— Harsha de Silva (@HarshadeSilvaMP) October 30, 2018
Misaotra ! Vahoaka an'arivony maro no nirohotra niditra tao amin'ny ‘Temple Trees’ (toerana fonenan'ny praiminisitra). Nilamina izy ireo, tsy mamo ary tsy nihanika tamin'ireo andrinjiro. Tonga fotsiny izy ireo mba hitaky ny fiantsoana ny parlemantan'i #SriLanka sy ny fanaisorana #PMSandoka. Fahombiazana goavana. Tsy manosihosy ny demokrasia ny @MaithripalaS. @RW_UNP pic.twitter.com/RS1fh37d2N
Live updates from the people's protest at the Liberty Plaza roundabout calling for the re-convening of Parliament #lka #srilanka #Democracy #ConstitutionalCrisisSriLanka #CoupLK pic.twitter.com/e9gAvqEMfL
— Vikalpa (@vikalpavoices) October 31, 2018
Fanavaozam-baovao mivantana mikasika ny fihetsiketsehana eo amin'ny faritra boribory ao amn'ny Kianjan'ny Fahafahana, itakiana ny fampiantsoana ny Parlemantera #lka #srilanka #Democracy #ConstitutionalCrisisSriLanka #CoupLK pic.twitter.com/e9gAvqEMfL
Nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety, ny Mpitondratenin'ny Parlemanta, Karu Jayasuriya, namporisika ny filoham-pirenena mba hamela an'i Wickremesinghe hanaporofo ny fananany ny fanohanan'ny maro an'isa azy ao amin'ny Parlemanta, sady nampitandrina ny hisian'ny fandatsahan-drà raha mbola mitohy ny tsy fahitàna vahaolana.
Diplomats from UN, EU, UK, Canada & Germany met the Speaker today and urged to convene the parliament and to ensure democracy is protected #lka #SriLanka #PoliticalCrisisLK #CoupLK pic.twitter.com/BVXPvo0crh
— Nusky Mukthar (@NuskyMukthar) October 31, 2018
Tamin'ity anio ity, nihaona tamin'ny filoham-pirenena ireo diplomaty an'i Firenena Mikambana, UE, Royaume-Uni, Kanadà sy Alemaina ary namporisika azy mba hampiantso ny Parlemantera sy hiaro ny demokrasia #lka #SriLanka #PoliticalCrisisLK #CoupLK pic.twitter.com/BVXPvo0crh
Nahitam-bokany ireo tsindry natao tamin'ireo fihetsiketsehana mba hamondronana indray ny Parlemanta satria nalahatr'i Sirisena hanaovana latsabato ao amin'ny Parlemanta ny hanapahana hevitra mikasika izay tena ho Praminisitra ara-dalàna ny 7 novambra.
Fiarahamitantana iray tsy mahomby
Niteraka tahotra tamin'ny Sri-Lankey sasantsasany ireo zava-nisy tato anatin'ny andro maromaro, ny amin'ny mety ho fiverenan'ny fitondran'i Mahinda Rajapaska, fotoana nanjakan'ny herisetra nifanaovan'ireo foko, ny tsindry sy ny sivana tohanan'ny Fanjakana. Toy izay nomarihin'ny andiana mpianatra tao anaty fanambaràna iray navoakan'ny GroundViews:
Tsiahy iray mampitahotra momba ny endriky ny didy jadona ny hazakazaka ho amin'ny herisetra sy amin'ny fanoherana. Ny fanonganam-panjakana dia arahan'ny fiverenana amin'ireo endrika fanivànana, ny herisetra, ny tahotra izay toetra mampiavaka ny vanimpotoan'ny politika tamin'ny andron'ny Rajapaksa. Nalaina ankeriny ireo mediam-panjakana ny alina ary nalàna tsy nisy alaharo alaharo koa ny fiarovana ny Praiminisitra sy ireo Ministra. Fanampin'izany, efa lasa fitaovam-pitaterana an'ireo vaovao tsy marina mankany amin'ny vahoaka ireo fantsona marobe fampitàm-baovao an'ireo tsy miankina hanaparitahana vaovao diso.
Nanambara tamin'ireo mpanao gazety i Sirisena fa nesoriny i Wickremesinghe rehefa fantany fa voasaringotra tao anatina fikononkononana hamonoana azy ity farany. Saingy heverina fa ny toe-draharaha misy ankehitriny, raha ny marina, dia anisany vokatry ny ady fahefana misy eo amin'i Sisisena, Wickremesinghe ary Rajapaksa.
Tamin'ny janoary 2015, ny Filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, Mahinda Rajapaksa, niantso fifidianana filoham-pirenena mba hanamafisany ny fahefany sy hahazoana fepotoam-piasàna faninteloy. Sirisena, minisitry ny governemanta Rajapaksa teo aloha, dia niala tao amin'ny Sri Lanka Freedom Party (SLFP) tantanin'i Rajapaksa ary notendren'ny United National Party (UNP) tantanin'i Wickremesinghe mba ho kandidà hisakanana ny fitondran'ny filoham-pirenena efa niongana. Nivoaka ho mpandresy tamim-pahagagana i Sirisena (nahazo vato 51,28% nanoloana ny 47,28% azon'i Rajapaksa) ary dia lasa filoham-pirenena vaovao indray tao Sri Lanka.
Taorian'ny fifidianana, nanankina ny fitantanana ny antoko SLFP tamin'i Sirisena i Rajapaksa, mifanaraka amin'ny lalàmpanorenan'ny antoko, izay milaza fa izay rehetra mpikambana ka filoha dia lasa filohan'ny antoko avy hatrany. Nandritra ireo fifidianana solombavambahoaka, ny volana Aogositra 2015, teo ambanin'ny fiahian'ny United People’s Freedom Alliance (UPFA,nanambatra ny heriny ireo ankilafin'i Sirisena sy Rajapaksa mba handray anjara amin'ireo fifidianana). Ny fiarahamitantan'i Wickremesinghe, tantanin'ny UNP, dia nahazo ny toerana miisa 106 tamin'ireo 225, ny UFPA nahazo ny 95 – 55 an'ny ankolafy mpiandany amin'i Rajapaksa ary 40 ho an'ny ankolafy mpiandany amin'i Sirisena.
Taorian'ireo fifidianana solombavambahoaka, notendren'i Sirisena ho Praiminisitra i Wickremesinghe ary nanangana ny governemantam-pirenena taorian'ny nanaovana sonia ny fifanekena mba hamahana an'ireo olana tsy voavaha taorian'ireo adim-poko tsy nahitana fitsaharana nandritra ny 30 taona. Hatreo, nanjary antoko mpanohitra ny ankolafy SLFP notantanin'i Rajapaksa.
Nandritra ireo taona roa farany, na izany aza, niha.nahazo tanjaka i Rajapaksa ary naraofin'ny antokony avokoa ireo fifidianana teo an-toerana tamin'ny volana febroary 2018. Tamin'ny volana Aprily 2018, tafavoaka velona tamin'ny fitsipaham-pitokisana tao amin'ny Parlemantera notarihan'ireo mpiandany amin'i Rajapaksa i Wickremesinghe, fihetsika iray mazava tsara natokana handemena ilay fiarahamitantana efa marefo tsy marintoerana eo amin'ny fitondràna.
Ny laza misonga ho an'ny antoko SLFP an'i Rajapaksa sy ireo fifanenjanana misy eo amin'i Sirisena sy Wickremesinghe manodidina ny fironan'ity farany ho mpiara-miasa ara-jeopolitika amin'i India fa tsy i Shina, dia mety ho iray amin'ireo antony marobe izay nifidianan'i Sirisena an'i Rajapaksa ho eo amin'ny toerana Praiminisitra.
“Nohenoina ireo feon'ny vahoaka…”, hoy ny fanambaràn'i Wickremesinghe, manana fijery miabo, teo amin'ny Twitter tamin'ny 1 Novambra, taorian'ny nahafantarana fa ny parlemantera dia hivory indray amin'ny herinandro ho avy. “Handresy ny demokrasia”.