Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2005)

Miarahaba ny rehetra! Tongasoa eto amin'ny fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Saodiana voalohany. Ity zavatra kely mikasika izay zavatra noresahantsika ato. Ny tontolon'ny blaogy Saodiana dia manana bilaogy miisa 60 ao amin'ny Bilaogy Saodiana, anisan'izany ireo bilaogera izay monina ao anatiny sy ivelan'i Arabia Saodita, ankoatra ireo bilaogera avy any amin'ny firenen-kafa ary monina ao Arabia Saodita. Mihamitombo tsikelikely ny lisitra, saingy nihoatra ny volana vitsivitsy lasa izay, nisy ireo bilaogy vaovao niampy isan-kerinandro. Ny fiteny ampiasaina dia ny teny Anglisy sy Arabo.

Ny zava-misy hoe Mohammed Abdu no mpihira Saodiana malaza indrindra dia tsy midika inona amin'i Reema, izay manazava ny antony ankahalany azy. Mandritra izany, dia gaga i Riyadhawi (Ar) mahita tranonkala antsoina hoe Saudi Caves (Lava-bato Saodiana). “Gaga aho mahita momba ireo lava-bato lehibe manakaiky ny tanànanay ireo, saingy tsy nahalala na inona na inona momba azy ireo izahay”, hoy izy nanoratra.

Fouad Al-Farhan, izay tsy afaka nihaona tamin'i Karen Hughes, kosa faly tamin'ny fahitana fa ireo mpianatra ao amin'ny Kolejy Dar Al-Hekma ho an'ny Ankizivavy dia nilaza taminy izay tiany holazaina.

Miresaka momba izay antsoiny hoe “ady amin'ny maha-lahy sy vavy” any Arabia Saodita i Farooha, ary mihevitra fa mihamitombo tsikelikely io tranga io. Nofeheziny hoe: “azo antoka fa tsy ady mahafinaritra izany”, saingy manontany raha misy olon-kafa nahavita mankafy izany araka izay ananany. Nankalaza ny Andron'ny Fandikan-teny ihany koa i Farooha, mpianatra mpandika teny.

Mashi Sah milaza amintsika ny fivoriany (Ar) miaraka amin'i Pascal Ménoret, mpikaroka frantsay zay nianatra ny fiarahamonina Saodiana.

Tena faly be noho ny zanany voalohany i Abu Yousef, zazavavy kely nomeny anarana hoe “Joori”, Nzighna kosa manana teny sy sary maromaro avy amin'ny fitsidihana miaraka amin'ny fianakaviany tany amin'ny toeram-piompiana lehibe iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.