- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar(Birmania) : Nandresy tamin’ny fifidianana ny antoko tohanan’ny miaramila

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nokarakaraina tao Myanmar ny fifidianana [1] voalohany 20 taona taty aoriana ary araka ny efa nampoizina dia ny antokon’ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina (USDP) izay notohanan’ny miaramila mpanongam-panjakana no nandresy tamin’ny nahazoany ny 80 isanjaton’ny toerana tao amin’ny parlemanta. Saingy nilaza ireo mpanohitra fa nisy hosoka ity valim-pifidianana ity.

Nanome famintinana ny zavatra niseho tamin’io andro io tao amin’ny bilaogy The irrawaddy i Kyaw Zwa Moe [2]:

Tous les ministres sortant et les vice-ministres du gouvernement militaire auraient gagné aux élections de dimanche.

Naturellement, le Premier ministre M. Thein Sein est parmi les gagnants et le Ministre des affaires étrangères M. Nyan Win a remporté l'élection dans sa circonscription, parce qu'il n'avait pas d'adversaire, comme les 52 candidats du parti de la junte, le parti de l'Union pour la solidarité et le développement (USDP). Il y aura un nouveau gouvernement composé de plusieurs des ministres sortants au cours des mois prochains.

Nandresy tamin’ny fifidianana ny Alahady ireo minisitra am-perinasa sy ireo minisitra lefitra rehetra tao amin’ny governemanta miaramila

Mazava ho azy, fa anisan’ny nandresy ny Praiminisitra M. Thein Sein ary nandresy tamin’ny fifidianana tao amin’ny fari-piadidiany ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny M.Nyan Win, satria tsy nisy ny mpifaninana taminy, tahaka ireo kandidà miisa 52 avy amin’ny antokon’ny jadona miaramila, ny antokon’ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina (USDP). Hisy ny governemanta vaovao , ahitana ireo minisitra am-perinasa maromaro amin’ny volana manaraka.

Nampiasaina ny hosoka [Joker Votes] mba hanodikodinana ny valim-pifidianana.

L'USDP aurait remporté 82 pour cent des sièges du parlement. Pas de surprise donc. Nous avons répété plusieurs fois que M. Than Shwe et son équipe auraient truqué les élections. La plupart des partis pro-démocratie et ethniques qui ont participé aux élections savaient que l'USDP aurait triché, mais ça a été pire que prévu.

L'USDP a organisé une parodie du processus électoral. Des témoins et des dirigeants des partis pour la démocratie disent que des résultats anticipés ont été donnés chaque fois qu'un candidat de l'USDP était exposé à une défaite. C'est ce qu'on a appelé à Rangoon des “votes jokers”

Nahazo ny 82 isanjaton’ny toerana tao amin’ny parlemanta hoe ny USDP. Tsy mahagaga izany. Naverimberintsika foana fa nanao hosoka  fifidianana i Atoa Than Shwe sy ny ekipany. Ny ankamaroan’ny antoko manohana ny demokrasia sy ny ara-poko izay nandray anjara tamin’ny fifidianana dia nahafantatra fa nanao hosoka ny USDP, saingy mbola ratsy lavitra noho ny noeritreretina ny nataony.

Nanomana sarintsarim-pifidianana ny USDP. Nilaza ireo vavolombelona sy ireo mpitarika ny antoko manohana demokrasia fa omena mialoha ny vokatra isaky ny hita fa ho resy ny kandidà avy ao amin’ny USDP. Izany no antsoina ao Rangoon hoe « votes jokers ».

Raha fantatra fa kisarisariny ireny fifidianana ireny ary ny fitondrana miaramila no nametraka ny vokatra dia nanapa-kevitra ny hanao ankivy ny fifidianana [3] ireo antokon’ny hetsika manohana ny demokrasia tarihin’ilay mpanohitra malaza Ramatoa Aung San Suu Kyi.

Nametraka sarintany hanaraha-maso [4] ny fifidianana amin’ny aterineto mba hamantarana ireo trangàna hosoka, herisetra ary ireo fihetsiketsehana ny sehatra The Democratic Voice of Burma (feo demokratika ao Birmania).

[4]

Nitantara i Hseng Khio Fah [5] izay nanoratra tao amin’ny Shan Herald hoe : ahoana ny fihetsik’ilay kandidàm-panjakana nandritra ny fifidianana tany amin’ny fanjakan’i Shan.

“Kyaw Myint (qui se présentait) a donné 10 000 Kyats (10 dollars US) à chacun des électeurs dans sa circonscription. Les électeurs qui ont eu l'argent sont sortis des isoloirs avec un grand sourire et nous ont montré la somme en disant qu'ils avaient gagné à une loterie dans le bureau de vote.

“Kyaw Myint aurait emmené plus de 500 bulletins de vote d'un autre bureau et les aurait introduits dans les urnes pour qu'ils soient comptabilisés.

“Au cours des élections, il s'est fait aussi accompagner de 80 miliciens armés pour surveiller les isoloirs.”

Nanome 10.000 Kyats (10 dolara Amerikana) ho an’ireo mpifidy tsirairay tany amin’ny fari-piadidiany i ‘’ Kyaw Myint ( kandida)’’. Nivoaka tao amin’ny trano fandrotsaham-bato niaraka tamin’ny tsikitsiky ireo mpifidy izay nahazo ny vola ary nampiseho anay ny vola azony sady nilaza fa nahazo loto tao amin’ny biraom-pifidianana izy ireo.
Nitondra vatom-pifidianana mihoatra ny 500 isa avy any amin’ny birao iray hafa i Kyaw Myint ary nampiditra izany tao amin’ny vata fandatsaham-bato mba ho isaina.
Niaraka tamin’ny milisy miisa 80 ihany koa izy, nandritra ny fifidianana mba hanara-maso ireo trano fandatsaham-bato.

Nifanohitra tamin‘ny fanambaran’ny governemanta ny fijoroana vavolombelona sy ny tatitra nataon’ireo mpanara-maso, izay nivoaka tao amin’ny gazety The New Light of Myanmar (fahazavana vaovaon’i Myanmar). Nanambara ny governemanta fa nilamina ny fifidianana ’ny maroantoko ara-demokratika tamin’ny taona 2010 ary ireo diplaomaty na mpanao gazety izay nitsidika dia ’’nahita ny mpandray anjara nifidy malalaka sy faly [6] ary nanatrika ny fanisana ny vatom-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana. Nampiany hoe :

“Ils ont vu la participation libre et joyeuse de la population locale, un décompte systématique des voix et leur enregistrement sur des formulaires spécialement préparés dans les bureaux de dépouillement.

Hitan’izy ireo ny fandraisana anjara malalaka sy tamin-kafaliana nataon’ny mponina teo an-toerana, ny fanisam-bato sy ny fandraketana an-tsoratra izany tao amin’ny endrika taratasy efa voahomana manokana tao amin’ny birao fanisam-bato.

Nipoaka ny herisetra tamin’ny andron’ny fifidianana, rehefa nifandona tamin’ny tafika Bodista Karen demokratika ny miaramilan’ny governemanta. Nahatonga ny famindrana olona miisa 17.000 mahery [7] ny fifandonana, izay nitady fialofana tany akaikin’ny sisintany miaraka tamin’ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Thailandy.