Nampandoa onitra goavana ho an'ny tranonkala tsy miankina iray ireo mpandrindra ny media Rosiana

Rosiana mpanao gazety mpanadihady, mpahay siansa ara-politika, mpanoratra ary mpanolotra fandaharana amin'ny radio i Yevgeniya Albats. Voasazy mandoa onitra goavana ny gazetibokiny, The New Times, noho ny tsy fanomezana tatitra ara-potoana tany amin'ny sampan-draharaham-panjakana mpanaramaso ny media ao Rosia. Sary avy amin'i Evgeniy Isaev (CC 2.0).
Voasazy handoa onitra goavana 22 tapitrisa robla (334.400 dolara Amerikana) ny The New Times, tranonkala mahaleotena sady gazetiboky teo aloha miavaka amin'ny feo mitsikera.
Vola mihoa-pampana tanteraka izany ho an'ny fampahalalam-baovao madinika any Rosia. Ho fampitahana, mahazo iray tapitrisa robla (15.200 dolara Amerikana) isam-bolana ny fampahalalam-baovao mpanao fanadihadiana MediaZona, izay mitovitovy amin'ny habe sy ny endriky ny The New Times, vola tsy ampy akory handoavana ny fampandehanana ny asa.
Namoaka ny vaovao tao amin'ny fantsony Telegram i Alexey Venediktov, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Akon'i Moskoa, tambajotra radio tsy miankina voalohany ao Rosia post-Sovietika:
Журнал Нью Таймс и Евгения Альбац оштрафованы решением мирового суда на 22 миллиона рублей за несвоевременное предоставление сведений в Роскомнадзор.
Это, конечное, разорение и закрытие журнала.
[…]Информация о штрафе от адвоката журнала и Альбац Вадима Прохорова.
Nosazian'ny fitsarana handoa onitra 22 tapitrisa robla ny gazetiboky New Times sy Yevgeniya Albats [lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny New Times] noho ny tsy fandefasana tatitra tany amin'ny Roskomnadzor [sampan-draharaham-panjakana mpanaramaso ny media ao Rosia].
Mazava ho azy fa midika bankirompitra sy fanakatonana avy hatrany ho an'ny gazetiboky izany.[…] Reko avy amin'ny gazetiboky sy ny mpisolovavan'i Albats, Vadim Prokhorov izany
Nampahatsiahy ireo mpanara-dia azy i Venediktov fa tamin'ny alatsinainy, nanao tafatafa tao amin'ny Akon'i Moskoa niaraka tamin'i Alexey Navalny, mpikatroka mpanohitra malaza ao Rosia i Yevgeniya Albats.
Voasazy handoa onitra teo ambany lalàna iray zara raha ampiasaina ao amin'ny fehezan-dalàna Rosiana ny News Times, lalàna izay mitaky ny fampahalalam-baovao mba hitatitra any amin'ny Roskomnadzor, mpandrindra ny media ao Rosia mikasika izay loharanom-bola vahiny. Tsy misy antontan'isa momba ny tranga hafa amin'ny fampiasana izany lalàna izany, saingy nanamarika ny MediaZona fa niangona 7 tapitrisa robla (106 400 dolara) ny totalin'ny onitra amin'ny fanitsakitsahana ny lalànan'ny media tahaka izany hatramin'ny taona 2015 .
Ny lalàna dia mitaky amin'ireo fampahalalam-baovao Rosiana izay mandray fanomezana avy amin'ny vahiny mba hanome tatitra isan-telovolana any amin'ny Roskomnadzor – saingy indraindray izy ireo tsy omena fotoana hanaovana izany. Tany am-piandohan'ity taona ity, nahazo fangatahana avy amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna Rosiana ny New Times mba hitatitra momba ny fanampiana raisin'izy ireo avy any ivelany. Navoaka tamin'ny 10 May ny fangatahana, kanefa 7 May ny fe-potoana farany hanaovana izany.
Nampidirina tamin'ny faran'ny taona 2015, tonga tao anatin'ny fonosana fehezan-dalàna mifehy ny fampahalalam-baovao tsy miankina, vondrona fiarahamonim-pirenena ary ONG ny lalàna. Ao anatin'ny rafitra fandrindrana miha-mafy hatrany ao Rosia, nanjary mora loatra ho an'ireo fikambanana ny mandefitra amin'ireo fitsipika “kapoka (sazy) telo dia esorina ny fahazoan-dàlana handefa fandaharana”, na hiatrika onitra amin'ny zavatra toy ny tsy fahavitana manazava fa fikambanana mpampihorohoro voaràra any Rosia ny ISIS isaky ny miresaka azy anaty lahatsoratra.
Na dia voasoratra ao anatin'ny paika hisorohana ny fampihorohoroana sy ny ekstremisma ary ny heloka bevava hafa aza ireo lalàna sy fitspika ireo, ny fampiharana ny lalàna avy amin'ny manam-pahefana no milaza fa mety ny asa fanaovan-gazety tsy miankina no tena kendrena: tsy mbola nisy fampahalalam-baovao mpomba an'i Kremlin nampitandremana na voasazy tamin'izany.
Raha ampifandraisina amin'ny fisalasalan'ireo mpamoaka dokambarotra hividy dokambarotra avy amin'ny famoahana ara-politika mety mampidi-doza, mahita ny fampahalalam-baovao madinika toy ny The New Times izay tsy ny governemanta rosiana no tompony mivantana na an-kolaka fa atahorana hatrany ny fahaveloman'izy ireo.
Any Rosia, vitsy ireo fomba ara-dalàna hahazoana vola amin'ny alalan'ny dokambarotra na mivarotra kopia voatonta. Nampitsahatra ny fanontana an-tsoratra manokana ny New Times tany am-piandohan'ny 2017, ary niditra tanteraka tamin'ny nomerika taorian'ireo olana tsy tapaka amin'ny fitsinjarana ny gazety, ary nanaiky ihany ny fanomezana avy any ivelan'i Rosia nony farany, ka miatrika izay mety ho fahafatesana miadana avy amin'ny fanjakam-birao.
Ary ankoatra ireo sakana ara-pitsipika ireo, dia misy ny herisetra tsy mitsaha-mitombo, ny fandrahonana sy ny fampitahorana an'ireo mpanao gazety tsy miankina ao Rosia, toy ireo “fanomezana” mampatahotra tamin'ny herinandro lasa teo, izay napetraka teo am-baravaran'ny gazety iray malaza, Novaya Gazeta.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...